Sport

3FAI RUGBY Tsy hamaly ny antso teny Anosizato


  • Talata 05 Martsa 2019

Tsy hamaly ny antso nataon’ireo raiamandresy sy ny Hafari ary ireo klioba sasantsasany amin’ny fitakiana ny hamerenan’ny kianja filalaovana fanatajahantena fahiny efa lasan’olon-kafa ny hamerenana an’izany amin’ireo

 

 

 

mpanao fanatanjahantena eny an-toerana izahay ekipan’ny 3FAI Ambalavao  Isotra , hoy ireo mpitantana azy tarihan’ny filohany Rtoa Rakotonirina Raissa. Aminay dia fakorontanana filaminam-bahoka  tsotra izao no tadiavin’ny olona sasany hatao mba hitadiavana tombontsoa ho azy manokana fotsiny ihany. Talohan’ny nananganany ny fotodrafitrasa eo amin’ity toerana ity, hoy ireto mpitantana ny 3FAI ireto, dia efa nanolotra “Indemnisation” an’ireo klioba rehetra nilalao fahiny teo amin’io kianja io ny tompony ary efa nanolotra fitaovam-pilalalaovana  fanatanjahantena samihfa toy ny “maillot complet”, godasse, faux bas, sns… azy ireo koa ry zareo ary anisan’ny efa nahazo ny anjarany tamin’izany ny 3FAI. Aleo mba ho taizana amin’ny lalana mahitsy ny ankizy mpanao fanatanjahantena, hoy ireo mpitantana ny 3FAI ireto, fa tsy hamporisihana lava amin’ny fanakorontanana mivily any amin’ny  lalan-kafa mifanohitra tanteraka amin’ny fanaovana spaoro.

 

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT