Sport

3FAI Rugby Diviziona 1 Hilalao any Vakinankaratra amin’ny taom-pilalaovana izao


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Mieritreritra ny handeha alavitra ny fileovana rugby 3FAI Ambalavao Isotry tantanan-dRtoa Rakotonirina Raissa ankehitriny ka nanapa-kevitra fa hampilalao ny sokajy D-1 ao aminy any amin’ny Ligin’ny rugby any Vakinankaratra amin’ity taom-pilalaovana vaovao 2018-2019 ity, hoy ny Sekretera Jeneraliny Rakotonirina Alain,

 

 

 

 omaly teny amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena toerana nisehoan’ity fileovana ity indray am-pahibemaso ka nanarahany fanazaran-tena niaraka tamin’ny fileovan’ny UAS Cheminots izay hiatrika lalao famaranana amin’ny Matadore A koa atsy ho atsy. Manaporofo izao, hoy ity SG-n’ny 3FAI ity fa mbola ao tsara ity ekipan’Ambalavao Isotry ity fa tsy nanjavona araka ny fanambaran’nysasany akory. Maro ireo mpilalao kalaza manatevina an’ity ekipa ity ankehitriny ka anisan’izany ireo mpilalao Makis Junior 4 mirahalahy.  Manana ekipa fiandry araka izany ny 3FAI D-1 ary efa manana Junior sy Cadet ihany koa izy ankehitriny. Coco sy Doda no mpanazatran’ny ekipa ampiandRahery eo amin’ny fandrindrana ankapobeny.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT