Hanainga rahampitso alahady 15 jolay hihazo an’i Alger hanatanterahana ny JAJ “Jeux Africains de la Jeunesse” andiany faha-3 ny delegasiona Malagasy misy olona 30 izay ahitana atleta miisa 27 ka ao anatiny ny Dsf Rakotozafy Rosa.
Hanomboka ny talata 17 jolay 2018 izao amin’ny alalan’ny lalao baolina kitra atao ao amin’ny “Stade de la Protection civile Harriz, stade de Harriz” any Alger ity fifaninanana ity ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 28 jolay 2018 amin’ny fifaninana Triathon ho tontosaina ao amin’ny “Complexe Mohamed Boudiaf OCO – Alger”. Atleta 3000 avy amin’ny firenena 54 mpikambana ao amin’ny ACNOA no handrasana any Alger amin’io fotoana io. Araka ny fanapaha-kevitry ny kaomisiona teknikan’ny JAJ dia taranja-panatanjahantena 27 no hifaninanana amin’ity JAJ 2018 ity dia ny Atletisme, Aviron, Badminton, Basket-ball 3x3, Beach volley, Boxe, Canoë Kayak, Cyclisme , Escrime , Equitation, Football, Gymnastique, Handball, Haltérophilie, Hockey sur Gazon, Judo, Karaté, Lutte, Natation, Rugby, Tennis, Tennis de table, Tir à l’arc, Triathlon, Taekwondo, Volley-ball, Voile ka ny 11 amin’ireo ihany no handraisan’ny solontena Malagasy anjara dia ny atletisma , basikety 3x3 , bisikileta , escrime, fibatana fonjamby, tenisy ambony latabatra, lomano, judo, karate, tolona, rugby à 7 izay midika fa ny fandraisana anjara fotsiny no zava-dehibe amintsika dia izay ihany.
Ny lanonam-panokafana dia ho tanterahina ao amin’ny “Stade du 5 juillet OCO – Alger” amin’ny alarobia 18 jolay 2018 ary ny lanonam-pamaranana kosa dia ho tanterahina ao amin’ny “Stade du 5 Juillet OCO – Alger” ny alahady 28 jolay 2018.
Nandritra ny fanokafana ny fivorian’ireo filohana delegasion’ireo firenena handray anjara amin’ity fifaninanana ity notarihan’ny filohan’ny komity mpiakarakara ny lalao, Atoa Ould Ali, no nanambaran’ity farany fa nanolotra taratasim-bola nitentina 70 tapitrisa dolara amerikana ho fanonamanana an’ity JAJ-2018 ny fitondrana Algeriana. Nambarany ihany koa fa hahafahana miatrika ny lalao olimpikan’ny tanora atao any Buenos Aires Argentine ny 8-18 oktobra 2018 ny fahazoana minima amin’ny taranja 5 amin’ireo hatrehana ireo (Triathlon,Beach-volley,Hockey sur gazon, Equitation ary Aviron).
Marihana fa tany Rabat Maroc no nanatanterahana ny andiany 1 tamin’ny JAJ tamin’ny 2010 ary tany Gaborone Botswana kosa no nanaovana ny andiany faha-2 tamin’ny 2014.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.