Sport

36e Rallye International de Madagascar Ekipazy 39 no handray ny fiaingana


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Samy efa tonga eto avokoa ireo ekipazy vahiny hiatrika ny andiany fah-36 amin’ny “Rallye International de Madagascar” izay hatao ny zoma sy sabotsy ary alahady izao.

 

 Ekipazy 39 no handray anjara amin’ity andiany 2015 ity izay sady dingana fah-7 farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara no dingana fah-7 farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. Ilay Renioney, Galuppi Andrea, moa dia hiaraka amin’ilay Malagasy, Soloberg, ary hitondra fiara P306. Samy efa eto ihany koa ireo ekipazy belza dia Verdin izay hanamory ilay Clio 3 an’i Herizo  ary i Bouldou hamily ny Clio 2 an’i Fidinera. Fifaninanana any amin’ny sokajy misy azy ihany ny an’ireto vahiny ireto fa ny ady tena mbola mahaliana ny maro mpankafy ny taranja dia ny adin’ny ekipazy miady voalohany amin’ny sokajy N4 dia ny ekipazy Boom-Berthin mitondra Mitsubishi Evo X sy Mathieu-Tsiresy manamory Mitsubishi Evo IX. Mitarika lah-1 vonjimaika moa izao ry Boom manana isa 201,38 ary lah-2 ry Zaza Maditra izay manana isa 193,03. Izay mandresy amin’ireo ekipazy ireo no handrombaka ny anaramboninahitra amin’io sokajy io ka azo antoka fa tsy hankitsitsy ity dingana farany amin’ny fifaninanana nasionaly ity. Anisan’ireo tazana miverina ary hampafana ny fifaninanana ihany koa amin’ity RIM ity ry Olivier sy Haingo izay hitondra ilay Subaru efa mahazatra azy iny. Ankoatra izay dia tapa-kevitra handray familiana koa i Hery be hiaraka amin’i Nomena Bryan ary hanamory ilay Mitsubishi Evo VII an’i Mamy kely iny. Tazana ao anaty lisitra koa ry Guiguibone sy Liuk ary hanamory P306. Tsiahivina fa sedra manokana sivy mirefy 196,65km no voalahatra mandritra ireo telo andron’ny fifaninanana ireo ary etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no hisy ny fitobian’ireo fiara mpifaninana.

Rasanda Serge

Boom sy Berthin, mitarika lah-1 vonjimaika

(sary nindramina)

Ireo ekipazy: 1-Louvel-Teddy (Mitsu Evo6), 2-Ptit Chinois-Jimmy (Subaru), 3-Nirina-Alcazaria Jr (P206), 4-Alcazaria-Poussie (P205), 5-Tovonen-Riaria (Clio), 6-Boom-Berthin (Mitsu Evo10), 7-Legah-Sylvie (P205), 8-Ramima-Imanda (Golf), 9-Dom-Tahiry (Polo9), 10-Ndrianja-Fanja (Subaru), 11-Rivo-Ando (Subaru), 12-Narinen-Damix (Golf), 13-Ony-Mi (P306), 14-Andrea Galuppi-Soloberg (P306), 15-Rado kely-Veve (P106), 16-Tina-Tsiory (Subaru), 17-Hurricane-Sista (Polo TDI), 18-Dida-Kash (Saxo T4), 19-Tahina-Tahiana (Subaru), 20-Mirija-Tito (P106), 21-Dani-Ra Ed (Nissan), 22-Rina-Anja Bob (Super5), 23-Guiguibone-Liuk (P306), 24-Hery be-Nomena Bryan (Mitsu7), 25-Haja-Olivier (Great Wall), 26-Marko-Vitch (P205), 27-Bona-Miangaly (Subaru), 28-Freddy-Yachine (Isuzu D max), 29-Rala-Sissi (Clio), 30-Pattie-Aina (Visa), 31-Hents-Nouka (Golf), 32-Bera-Naina (P204), 33-Mathiue-Tsiresy (Mitsu 9), 34-Frederic-Tahiana (Subaru), 35-Olivier-Haingo (Subaru), 36-Loom-Alain (P306), 37-Davonjy-Tsitohaina (P504), 38-Verdin (Clio), 39-Bouldou (Clio)

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT