Sport

28eme Universiade Hifaninana any Korea atsimo i Mamy Ialy sy Fetra


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Atleta malagasy roa lahy no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny Universiade na ilay lalao iraisam-pirenena ho an’ireo mpianatry ny oniversite manerantany andiany fah-28 izay hatao any Gwangju Korea atsimo

. Hifaninana amin’ny taranja tenisy Ratsifandrihamanana Mamy Ialy izay anisan’ireo mpilalao sangany nasionaly ary hiady amin’ny taranja judo sokajy -81kg kosa Ratsimiziva Fetra izay mila ravinahitra any Toulouse Frantsa ary efa niaro ny voninahi-pirenena tamina fifaninanana goavana manerantany raha tsy hilaza afa tsy ny Lalao olimpikan’i Londres tamin’ny taona 2012. Heverina fa afaka hamiratra amin’io lalao manerantany io i Fetra izay efa mpiatrika fifaninanana manerantany sy kaontinantaly. Ny 3-14 jolay no hanaovana io fifaninanana iraisam-pirenena io ka hitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana Raveloson Mamitiana izay talen’ny sampana fanatanjahantena sy kolontsaina ary fialamboly eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Ity farany moa izay fantatra kokoa aty amin’ny sehatry fanatanjahantena amin’ny maha filohan’ny federasiona malagasin’ny tolona azy.

Rasanda Serge


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT