27ème Rallye Castine Terre d’Occitanie

Norombahin’i Mika Rasoamaromaka ny voalohany


  • Talata 07 Mey 2024

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

fiarakodia. Noporofoin'i Mika Rasoamaromaka tamin’ny 27ème Rallye Castine Terre d’Occitanie tany Frantsa ny faran’ny herinandro teo, teo amin'ny Clio Trophy satria nobatain’ny ekipazy Mika Rasoamaromaka sy Bastien Pouget tamin’ny alalan’ny fiara Peugoet ny laharana voalohany. Isa 76 no azon’izy ireo, raha toa ka 72 ny laharana faharoa Tom Pellerey-Hervé Faucher, ary teo amin’ny laharana fahatelo kosa i Faniry Rasoamaromaka rahalahiny, izay nahazo isa 70. Tsy vao sambany nandray anjara tamin’ny fifaninanana hazakazaka fiarakodia any ivelany moa ireto zanaky ny governoran’Analamanga ireto satria ny jolay 2022 dia laharana faharoa sy fahatelo izy ireo tamin’ny Rallye Terre de Langres Haute-Marne. Efa tena mipetraka noho izany ny anaran-dry zalahy ireto, ary heverina fa tena ho avin’ny taranja rallye, raha ny vokatra azon’izy ireo.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT