26 jona

Tandindonin-doza ny kianja Barea


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Dia mbola eo amin'ny kianja eo Mahamasina ihany no nosafidian'ny mpitondra hanaovana ny fety.

Ny fanazarantena aloha dia mbola teny ambony ireo mpijery fa na izany aza dia tena eo amin'ny bozaka ny mpandihy. Ny loza dia misy manao kiraro ka azo vinavinaina amin'izany ny loza mety hitranga satria raha poitka io dia any ivelany indray no mandray ny fifanintsanana eo amin'ny CAN 2025. Raha mihaino ny FMF anefa dia soloina tanteraka io bozaka io saingy aza adino fa roa volana mahery kely dia handray lalao. Tena mampanontany tena hoe fa angaha ny fetin'ny Frantsay tsy eny amin'ny arabe eny amin'ny Champs Elysées. Na ry zareo Alemana koa aza tsy mankalaza ny fetim-pireneny ao amin'ny Allianz Arena ao Munich Dia hiteny indray ny sasany hoe ho voafehiny ny olona nefa efa vita ny totohatra valo hidinana eny an-kianja. Fa angaha ho voasakana ny mpino kristianina raha miakatra ny lapihazo i Maggie Blanchard na dia i Rija Rasolondraibe fotsiny aza. Sa hanao fanambarana indray hoe tsy tan-dalàna ny Malagasy izay lazaina koa hoe tsy maintsy mandroso.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT