Sport

15e Marathon de Tana Nosongonan’i François Lebon i Jean de la Croix


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Votsotra tamin’ny Malagasy ny anaramboninahitra ho an’ny lehilahy. Ilay Renioney François Lebon izay 42 taona ary nahazo ny medaly volamena tamin’ny Lalaon’ny Nosy 2011 tany Seisela no tafiditra lah-2 rehefa nahavita ny 42,195km tao anatin’ny 2.26.

 Nosongonany efa taty amin’ny 2km farany Rakotomalala Jean de la Croix izay nahavita fotoana 2.28. Tany amin’ny lah-3 kosa ilay sangany malagasy, Andriamparany Hajanirina (2.35). Nahazo ny lah-1 tamin’ny andriambavilanitra kosa Ratianasoa Landinirina nahavita fotoana 3.18.15, lah-2 Ramanatenasoa Marinah (3.21.26) ary lah-3 Razafimahatratra Elyse (3.22.08). Marihina fa 1 500 000 ariary ny loka ho an’ireo lah-1, iray tapitrisa ariary ho an’ny lah-2 ary 6 hetsy ny lah-3. Mikasika ireo vokatra hafa. Lah-1 tamin’ny “Foulee Ecolo” nirefy 11km ho an’ireo manana karapilalaoavana i Mampitraotsy avy amin’ny Cospn (33.29), lah-2 i Manongosoa mbola Cospn hatrany (34.15) ary  lah-3 i Heritsara mpihazakazaky ny Cosfa (34.41). Ho an’ny vehivavy, lah-1 i Stania (43.63), lah-2 Rabemihoatra Oliva - Cnaps (43.42) ary lah-3 i Nirina Marthe - 3FB (44.26). Ho an’ireo tsy manana kara-pilalaoavana, sokajy lehilahy, lah-1 Ramarolahy Benjamin (38.14), lah-2 i Elyse Rolland (38.21), lah-3 i Andrihavana Bruno (38.47). Ho an’ny vehivavy, lah-1 Ravaomalanto Harivony (51.36), lah-2 Rasoanandrasana Anatole (52.40) ary lah-3 Rasoarimalala Nicole (52.49). Vokatra tamin’ny handirun (11km), lah-1 tamin’ny lahilahy i Solomon (42.21), lah-2 i Malakia (47.29), lah-3 i Jean Claude (53’27). Teo amin’ny vehivavy, lah-1 i Mbola (1.18.11), lah-2 i Francisca (1.21.48), lah-3 i Lanto (1.27). Nisy ihany koa moa ny hazakazaka “Maratoons” natokana ho an’ireo ankizy izay nirefy 1,5km nihodidina ny araben’ny fahaleovantena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT