Sport

15 taonan’ny 3Fai Rugby 3 alahady ny lalao etsy Mahamasina


  • Zoma 11 Mey 2018

Efa vonona tanteraka ankehitriny ny fikarakarana an’ireo lalao rugby hoentina manamarika ny faha-15 taonan’ny fileovana 3Fai Ambalavao Isotry, hoy Rakotomamonjy Hery Jacques tompon’andraikitra ao aminy. Fantatra fa ao anatin’ny 3 alahady,

ny 13 sy 20 mey 2018 ary ny 3 jona 2018 ho avy izao no hanatanterahana etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina an’ireo lalao tafiditra amin’ny fanamarihana izany.   Ny alahady 13 mey 2018 dia lalao 1/2-dalana 3 be izao no hanombohana ny fifaninanana  ary amin’ny alahady 20  mey kosa hanatontosana an’ireo 1/2-dalana 3 ambiny. Ny alahady 3 jona 2018 kosa no hanatontosana an’ireo lalao famaranana. Marihana fa Rtoa Rakotonirina Raissa no filoha mitantana an’ity fileovana 3Fai rugby ity ankehitriny.

Fandaharam-potoana alahady 13 mey 2018 :

1/2-dalana D-1 Elite II

10:30-XV Volks Anosibe # Ftat Anosibe

1/2-dalana D-1 Elite I

12:30-Uasc Cheminots  # Uscar Fivondronana

15:00-XV Family # Tfma Flesy

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT