10 volana nitantantan’i C. Martins

Nihatsara ny filaharan’ny Barea


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Na teo aza ny zanaharim-baolina tsy

nanambina ka tsy nahatafakatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara ho any amin’ny tompondaka erantany 2026, araka ny fomba fiteny, dia azo lazaina ho nahitàna fivoarana kosa izany Barea izany tao anatin’izay 10 volana latsaka nandraisan’ilay tekinisianina franco-portugais, Corentin Martins, azy izay. Raha faha 116 no laharana nisy antsika ny janoary 2025 dia efa lasa faha 105 isika amin’izao fotoana izao. Faha 115 ny volana aprily. Faha 108 ny septambra ary 1 volana taorian’izay no lasa faha 106. Rehefa avy nandresy 2 noho 0 an’i Guinée équatorial tamin’ny lalao ara-pirahalahiana indray moa tamin’ny herinandro dia lasa faha 105 teo amin’ny laharana FIFA na ny fandaharan’ny Federasionina iraisampirenen’ny baolina kitra. Niha tsara ny filaharana FIFA, araka izany, ho an’ny Barea teo ambany fitantanan’ity tekinisianina vahiny ity hatreto ary antenaina hitondra fahombiaza izany ho amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila amin’ny tompondakan’i Afrika manaraka eo, raha tsy hoe hisy fanovàna mpanazatra indray angaha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT