Sport

10 taona ny City Zens Ambatolampy “Jereo ny kitra ety amin’ny fokontany fa feno talenta”


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Feno 10 taona ankehitriny ny klioban’ny City Zens Ambatolampy eo anivon’ny boriboritany faha 6 eto Antananarivo.

Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny klioba, Jean Paul Ramananjoelina, dia nanomboka ny taona 2012 no nitantanany ity klioba ity tamin’ny alalan’ny fanazarana ireo katitakely eo amin’ny sokajin-taona “Benjamin”, izany hoe, 10 ka hatramin’ny 13 taona. Maro ny ondry efa azo ary ny omby teo amin’ny miisa 5 teo tao anatin’izany. Efa manana sokajy “senior” ankehitriny ny klioba. Tanjona ny handraisana anjara amina fifaninanana avoavo kokoa. Raha “Open” hatrany ny sehatra nisy hatramin’izay dia mba miandrandra handray anjara amina fifaninanana “National” indray amin’ny manaraka. Miandrandra fanampiana amin’ireo malalatanana sy mpankafy kitra izahay, indrindra, eo amin’ny lafiny fampitaovana. Isaorana ny solombavambahoakan’ny boriboritany misy anay, Todisoa Andriamampandry, teo foana nanampy fa na izany aza dia tena mbola miantso ireo malalatanana rehetra sy tsara sitrapo hatrany, indrindra, ny eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hijery ny kitra ety anivon’ny fokontany ety fa tena feno talenta ety. Manan-talenta ireo boay kely ety. Mpiandry tsatoby iray milalao eo anivon’ny Elgeco plus izao novolavolaina tato anatin’ny klioba ary efa tena reharehanay ankehitriny hoe isan’ireo mandray anjara any anaty fifaninanana Orange Pro League any. Jereo ny kitra ety amin’ny fokontany fa feno talenta, hoy hatrany ny mpitantana ny City Zens Ambatolampy.
J. Mirija
Legende: Ireo ry zalahy City Zens ireo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT