1

8-ndalan’ny lalao « Telma Coupe de Madagascar 2019 » Natrehan’ny solontenan’ireo klioba ny antsapaka natao omaly


  • Alarobia 10 Aprily 2019

“Raha eo amin’ny lalao 1/4-dalana no mahazatra antsika fanaovana antsapaka amin’ny fanohizana ny fifaninanana “Telma Coupe de Madagascar” isan-taona, hoy ny tale teknikan’ny FMF,

 

 

 

 Dhebon Jean François, dia mbola hotanterahintsika miaraka amin’ny orinasa Telma eny Andraharo ihany izany aoriana kely fa mba hisian’ny mangarahara tanteraka eo amin’ity fifaninanana ity dia nasiana antsapaka koa aty amin’ny 1/8-ndalana ka izao tanterahina  androany talata 09 aprily izao miaraka amin’ny fanatrehan’ireto solontenan’ny klioba handray anjara ireto”. Tanteraka teny amin’ny tranon’ny baolina kitra eny Isoraka omaly talata ny antsapaka amin’ireo lalao 1/8-ndalan’ny “Telma Coupe de Madagascar” izay hotanterahina amin’ny 20 na 21 aprily 2019 avokoa afa-tsy ny lalao hihaonan’ny Cffa Analamanga sy ny Cosfa Analamanga hatao eto Antananarivo ny 28 aprily noho ny antony manokana. Nambaran’ity Dtn-n’ny Fmf ity fa mpitsara “elites nationaux” sy mpitsara “internationaux” avokoa no hitsara ireo lalao rehetra.

Lalao amin’ny 20 na 21 aprily : Cnaps Sport Itasy # Jet Mada Alfa  eny Vontovorona ;    Elgeco Plus Alfa # As Fortior A/nanana eto Antananarivo  ; Ass Disciples Vaknà # Uscfoot Alfa any Antsirabe ; Costm A/Andrefana # Hzam A/Mangoro any Toliara ; Fosa Juniors Boeny # Fc Blackstar V7V any Mahajanga ; Jet Mada Itasy # Zanakala Fc M/Ambony eto Antananarivo ary Fc Ilakaka Ihorombe # Ajesaia Bongolava any Ihosy.

Lalao amin’ny 28 aprily : Fccf Alfa # Cosfa Alfa eto Antananarivo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT