1

4-dalan’ny « Telma Coupe de Madagascar 2018 » Vita omaly teny Andraharo ny antsapaka


  • Talata 21 Aogositra 2018

Vita omaly teny amin’ny Futsal Andraharo ny antsapaky ny 1/4-dalan’ny fiadiana ny “Telma Coupe de Madagascar 2018”. Tonga nanotrona izany teny an-toerana ny filohan’ny FMF “Federasion’ny baolina kitra Malagasy”, Doda Andriamiasasoa,

 

 

 

 sy ny “Administrateur Directeur Général du Telma Madagascar”, Patrick PISAL-HAMIDA. Any Mahajanga sy eny Vontovorona no hanatanterahana an’ireo fihaonana amin’ny alahady 26 aogositra ho avy izao ka ireo ekipa 4 niatrika ny ankatoky ny famaranana tamin’ny taon-dasa no natao lohalisitra tamin’izany. Voafidy ary fa hilalao any Mahajanga an-daniny ny Fosa Juniors Boeny tompon’ny Amboara 2017 hihaona amin’ny Cnaps Sport Itasy tompondaka 2017 ihany koa. Nampisento ny rehetra teny ankorondrano ity vokatry ny antsapaka voalohany ity satria karazan’ny lalao famaranana kely mialoha ny fotoana mihitsy no azo hilazana azy. Hanala vela eto ny Cnaps Sport izay resin’ny Fosa Juniors 1-0 tamin’ny andro faharoan’ny  Poules des As natao ny 12 aogositra lasa teo tany Mahajanga ihany. An-kilany kosa dia hifampitady ny As Adema Analamanga sy ny Fc Ilakaka Ihorombe. Eny Vontovorona kosa dia hifanandrina an-daniny ny Cosfa Analamanga sy Uscafoot Analamanga. An-kilany kosa ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus Analamanga sy ny Hzam Amparafaravola Alaotra Mangoro. Ny alahady 30 septambra 2018 no hanatanterahana ny ankatoky ny famaranana roa ary ny alahady 07 oktobra ny lalao famaranana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT