1

16n-dalan’ny Amboaran’ny CAF Montsan’i Aduana Stars 6 no ho 1 ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Montsan’ny ekipan’ny Aduana Stars Ghaneana 6 no ho 1 omaly alahady 9 aprily 2018 tany Ghana, teo amin’ny 1/16-ndalana bis ny fiadiana ny Amboaran’ny CAF 2018, ny Fosa Juniors Boeny solontena Malagasy miatrika an’ity fifaninanana ity.

Ny Malagasy tamin’ny alalan’i José Alain no nampiditra ny baolina voalohany teo amin’ny minitra faha-4 ary nosahalain-dry zareo Ganeana teo amin’ny minitra faha-9 izany. Nahazo “penality” 3  avy eo ny Aduana Stars, teo amin’ny minitra faha-33 sy faha-40 ary teo amin’ny minitra faha-61ka lasa 4 no ho 1 ny isa teny amin’ny tabilao. Mbola nampian-dry zareo baolina 2 hafa indray ireo teo amin’ny minitra faha-85 sy faha-86 ka nahatonga an’io elanelan’isa mavesatra io. Ho henjana, araka izany, ny miandry ny Fosa Juniors amin’ny lalao miverina hotontosaina aty Madagasikara izay hatao any Mahajanga ihany amin’ny alarobia 18 aprily ho avy izao. Mila mandresy 5 no ho 0 ny Fosa vao mety ho tafita amin’ny lalaom-bondrona.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT