Zava-doza ny krizin-drano eto Iarivo

Tsy ampy 60 000m3 isan’andro, ny 48% amin’ny faritra no mijaly rano


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao

noho ny olana samihafa, ka miteraka ny tsy fahampian-drano amin’ny faritra maro. Miverimberina matetika ny fahasimbana noho ny fahateran’ny fantsona, famokarana miankina amin’ny herinaratra, ny fihenan’ny rano indrindra rehefa maintany tahaka ny mahazo ny station Ambohipanja, fahasarotana eo amin’ny tsenam-panjakana sy ny famoaham-bola hividianana fitaovana miteraka tsy fahampian’ny fitaovana hikojakojana, rafitra ara-bidy efa nihoaran’ny toetr’andro, fahataran’ny fampiasam-bola,... Ny « Unité Pratt Daniel » efa hatranamin’ny 1958 ; ny paompy manana tanjaka 1000m3/ora efa nanomboka ny taona 1976 no niasa,... Vokatr’ireo rehetra ireo mihamafy ny fikorontanan’ny tambajotra fitsinjarana rano. Mahatratra 36% amin’ireo fokontany eto Antananarivo no mijaly rano amin’ny ankampobeny, ka ny 4% no faritra mena izany hoe : tena tsy misy rano mihitsy na andro na alina, raha 32% kosa ny faritra mavo izay tsy misy rano raha tsy amin’ny alina. Nihamafy anefa ny fahavoazana, ka ny novambra 2022 dia ny 3/14 amin’ny station de pompage no tratry ny tsy fahampian-drano, ny 38% no no nijaly rano, ka ny 7% no tao anatin’ny Faritra mena tsy nisy rano mihitsy na andro na alina. Niakatra 48% ny faritra mavo, ary 13% ny faritra mena ; ny aprily 2024 teo dia tafakatra 49% ny faritra mavo tsy misy rano afatsy amin’ny alina, ary 18% ny faritra mena, raha ny voafaritra anaty dosie stratejikan’ny Jirama. Tsy maintsy miditra amin’ny vahaolana vonjimaika hampitonitoniana ny zava-misy (Tsy misy fampiasam-bola lehibe) fa fampifandimbiasana ny fandefasana ny rano amin’ny alalan’ireo « vannes » miisa 9 ; fampiasana kamio citerne izay 3 eo no ahetsika ho an’ny bonbonnes 170 ; fametrahana « hydrophore » mampiakatra rano eny Ambaniala, Antanetibe Ilafy izay mitentina 0,2Miliara Ar izay maharitra 3 volana eo ; fanovana ireo fantsona efa tena antitra eny Amboditsiry izay mitentina 0,5 miliara Ar ary maharitra 2 volana ; fanadiovana ny arafesina eny Ampirika mitentina 0,2 miliara Ar maharitra 3 volana,… Eo ihany koa ny fandavahana eny amin’ny lapan’Iavoloha mba hiarovana ny famatsian-drano ao sy hanalefahana ny tambajotra ampiasain’ny daholobe, fampiakarana ny drafi-pitantanana ny rano amin’ny fotoanan’ny maintany. Hatreto aloha izany, dia tena mionona kokoa amin’ny vahaolana kivonjivonjy maika fa tsy tena misy vahaolana sy tetikasa lehibe mahavaha manontolo ny olana, kanefa ny fitaovana miha antitra, ny tosiky ny rano mihena, ny mponina mitombo,... Raha nieazaka nametraka tokoa an’ilay « dam » adihevitra tamin’ny fifidianana 2019 tokoa ve dia ho izao no sary mitranga ? Mba alaivo sary an-tsaina anie hoe : tsy misy rano ny tanànan’i Paris e ! Mety miongana avy hatrany ny mpitondra.
Toky R
Henjana ny miandry ny Tale Jeneralin’ny Jirama vaovao Ron Weiss izay tonga nijery ifotony ny station de pompage teny Mandroseza omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT