Vokatry ny tsy fahaiza-mitantana

Voasokajy ho firenena fadiranovana indrindra i Madagasikara


  • Talata 28 Novambra 2023

Voasokajy ho firenena mahantra sy fadiranovana indrindra maneran-tany i Madagasikara,

raha ny fanasokajiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena faritra Afrika. Ny 80,7% amin’ny vahoaka no miaina ambanin’ny tondro farany ambany dia fananana 2,15dolara isam-batan’olona isan’andro na 10000Ar isan’andro eo ho eo. I Malawi no eo alohantsika izay 70,1% amin’ny vahoaka ao aminy no ao latsaka anaty fahantrana lalina, i RD Congo 69,7%, Soudan Atsimo 67,3%, ary i Centrafrique no fahadimy mahantra indrindra izay ny 65,7% no mihaina anaty fahantrana lalina. Antony lehibe telo no voasokajy ho isan’ny miteraka fahantrana lalina amin’ny firenena iray : ady an-trano goavana, loza voajanahary mahatsiravina, tsy fahaiza-mitantana. Firenena samy tsy nandalo ady an-trano isika sy Malawi izay ao amin’ny rambony, izay midika fa isan’ny lesoka goavana ny tsy fahaiza-mitantana sy mitondra. Ho antsika eto Madagasikara dia tany amin’ny 74% ny tahan’ny tany amin’ny 5 taona lasa, saingy niha nitotongana hatrany. Raha ny fandalinana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, dia mila fanavaozana lehibe ny fidiram-bolan’ny vahoaka Malagasy. Midika io fa ny fitarazohan’ny fahantrana dia vokatry ny fihisaran’ny fiakaran’ny harin-karena. Isan’ny fositra ny fanagiazan’ireo olona manana ny maha izy azy na «élites» ny harena, ny tsy fahampian’ny fifaninanana sy fangaraharahana izay vato misakana ho an’ny fandrosoan’ny firenena. Isan’ny manana anjara toerana amin’ny fanatsarana ny harin-karena sy ny fampihenana ny ny fahantrana ny sehatra tsy miankina, kanefa tena mbola madinika, tsy tena afaka mifaninana, ambany ny fampiasam-bola,… izay lasa sakana amin’ny famoronan’asa. Teo amin’ny 19,4% an’ny harin-karena faobe na PIB ny fampiasam-bola teo anelelan’ny 2013-2019, izay tena ambany dia ambany. Mila fanavaozana ihany koa ny rafitra ara-toekarena eto Madagasikara izay voafetra. 90% amin’ny olona ao anatin’ny taonan’ny asa dia raikitra any amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny sehatra tsy manara-dalàna. Tsy ampy anefa ny famokarana ara-pambolena noho ny antony maro : teknika, politika, hoenti-manana,... Ny famoronan’asa amin’ny sehatry ny indostria sy ireo sehatra tena mitondra vokatra dia tsy ampy. Ambany dia ambany ihany koa ilay antsoina hoe : « Indice de Capital Humain » na ny tondro momba ny fananana olona manana fahaiza-manao ho afaka ny ho hery ho an’ny firenena, ka 0,39 io ho antsika, izay heverina fa vokatry ny fanaovana tsirambina ny fampianarana.
TSY FAHAIZA-MITANTANA
Ny lesoka goavana eo amin’ny fitantanana ny firenena dia lasa mametra ny fahafahan’i Madagasikara manatratra ny fiakaran’ny toekarena mivelatra sy ambony, izay tena ilaina amin’ny fampihenana ny fahantrana farantampony, raha araka ny fanadihadian’ny Banky iraisam-pirenena. Aiza ho aiza ilay hoe : Madagasikara voalohany sy tsy maintsy mandroso nodradradradraina sy anaovana ny tsy fanao mba hibodoana ny fahefana hitantana azy? Mby aiza ilay hoe : ny fampandrosoana tsy vita tao anatin’ny 60 taona dia hovitaina ao anatin’ny 5 taona ? Nandroso tokoa i Madagasikara sa nihemotra ?
Toky R
Sary fanehoana


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT