Sosialy

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Niaro ny tsenan’ny tantsaha Namontana, resaka Andrefan’Ambohijanahary ary ity farany ity momba ny kianjan’Anosizato.

 

In- telo nisesy aho, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, no nampidirina am-ponja ary ireo voalaza teo ireo no antony. Tsy maintsy jerena ny zon’ny voafonja satria tsy voatery ho meloka no lasa any. Mila apetraka mazava tsara fa matetika tsy ny voafonja no tena migadra fa ny fianakaviany, izany hoe ny vady aman-janany. Ny lalànantsika efa lany andro. Mpikambana ao anaty firenena mikambana isika ary misy lalàna iraisampirenena momba ny zon’olombelona ao. Ny fotodrafitrasa eto amintsika tsy manara-penitra ho an’ny voafonja fa efa fahagola. Nahita aho, hoy izy, fa ny fanjakana no miantoka ny jiro, rano, sakafo, fanafodin’ny voafonja raha marary izy. Izany hoe vesatra ho an’ny fanjakana ireo kanefa ny zava-misy dia lasa valifaty tao ho ao ny fampidirana am-ponja. Tokony ho dinihina noho izany, hoy izy, izay hahafahan’ilay olona iray tokony hiditra am-ponja manonitra izay vitany mba hialana amin’izay fampidirana am-ponja lava izay. Tokony hampahafantarina ny voafonja koa ny antony namonjana azy hahafahany miaro tena satria zony izany, hoy hatrany I Jean Nirina Rafanomezantsoa.

J. mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT