Sahirana ny 99,9%n’ny malagasy, hoy ry zareo avy eo anivon’ny rodoben’ny mpanohitra izay rehefa mandinika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara vokatry ny fanakatonana ireo seha-pihariana samihafa teto Madagasikara hampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana.
Tsy misy mpahay toekarena izay tsy miaiky rahateo moa fa ho sarotra ny hanarina ny toekarena aorian’izao. 80% maherin’ny malagasy no lazaina matetika fa tantsaha, izany hoe, mamboly sy miompy. Nalaza moa tamin’ity herinandro ity ny famokarana ronono. Araka ny fanadihadiana iray dia ronono 100 000 litatra isan'andro no vokarin'ny tantsaha miisa 2000, izany hoe, ny omby iray dia ahazoana ronono 15 litatra isan'andro ka raha manana omby miisa 2 izany dia mahazo 30 litatra. Na atao hoe zaraina fotsiny sy hoanina aza ny 20 litatra dia mila tsaroana fa tsy ronono fahefatry ny litatra akory izy io ka hoe maninona no tsy sotroina? Tsy voatery hanana vata fapangatsiahana ny tantsaha nefa tsy azo tehirizina mihoatra ny 48 ora ny ronono fa simba. Mila fanodinana sy fotoana maharitra ihany koa izany vao mety ho tonga fromazy. Raha ronono 30 litatra no hiakarana taksibe mandroso sy miverina aty Antananarivo, ohatra, ary mbola hitady izay ho mpividy koa anefa ilay tantsaha, miampy ny sakafony atoandro, ny hafanana be iveziveziny izay mety ampivadika ny ronono ka hanimba azy am-pitoerana dia ataovy ny kajikajy, hoy ny mpamakafaka izay. Ny omby anefa tsy maintsy terena fa tsy azo avela amin'izao. Mikasika ny hoe maninona koa no tsy varotana amina orinasa hafa ankoatran’ilay nikatona na izay mpanao fromazy any dia ny valiny, hoy ny fanehoan-kevitra, dia satria efa manana ny mpamatsy azy ireo koa ireny orinasa hafa ireny. Raha nozaraina tamin’ny mahantra izany dia hisy ahita ny fahasahiranan’ireo tantsaha ve? Raha sanatria nankarary azy ireo koa moa ny vokatra efa samba dia ahoana? Mikasika ireo mpamboly moa dia na efa miha misokatra aza ny lalam-pirenena ankehitriny dia mitaraina ho tsy misy tsena noho ny fisian’ireo fanampiana toy ny vatsy tsinjo indray ireo mpambongady sy mpivarotra. Ny mpandraharaha sy mpiasa Malagasy hafa izay mameno ilay 20% latsaka kely moa dia mbola samy mitaraina ho kofona sy tsy tena afa-miodina araka ny tokony ho izy avokoa, izany hoe miha sahirana 100% ny vahoaka Malagasy ary ny mpitondra angamba sisa, hoy ny mpanao politika iray izay no tsy marefo eto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.