Alamina miandalana!

Tsy misy fiarahamonina


  • Alarobia 06 Mey 2026

tsy ilaozana disadisa,

hoy ny fitenenana. Toy izany koa ny firenena. Efa naverina matetika teto foana moa ny fanazavàna ny fomba fijerin’ireo siantifika mikasika izay heverina fa fivoaran’ny atao hoe otrikady na «conflit» anaty fiarahamonina iray izay. Io moa no tena tsy maintsy misy foana izany, raha ny fanazavàn’ireo manam-pahaizana hatrany. Miainga amin’ny antsoina hoe disadisa izany na «turbulence». Mivadika ho aditeny na «tension» izany rehefa tsy voalamina ary raha sanatria mbola tsy voalamina koa io dia mivadika ho krizy na adilahy. Ny adilahy avy eo no mivadika herisetra na ady atsanga, izany hoe, fipoahana krizy raha sanatria mbola tsy voavaha ny olana. Nitranga izany ny taona 1972, 1991, 2002, 2009 ary mbola saika tonga tamin’izany koa ny taona 2018. Ireny moa ny zava-nisy ny taona 2025. Herinandro tsy idirana amin’ny tena fikaonandoha isika io, hoy ny mpisehatra politika nampahatsiahy omaly. Hiditra amin’ny tena votoatin’izao fitondràna izao, araka izany. Eto izany no heverina fa fotoana manan-danja indrindra hahafahana mandamina miandalana ny tena tokony ho zotra tiantsika mianakavy hatao hahafahana manarina tanteraka ity firenena ity mba tsy hiverenan’ny fipoahana krizy toy ireo nitranga rehetra teo intsony. Alamina miandalana eto, raha manaiky ho «hendry» na koa hoe samy hikatsaka marimaritra iraisana ny rehetra mba tsy hijery afa-tsy ny tombontsoam-pirenena marina amin’izay. Inona no politika mikasika ny toekarena tokony ho apetraka? Inona no politika mikasika ny sosialy, kolontsaina, tontolo iainana, fanabeazana? Inona no tena tokony ho ataontsika miaraka ahafahana manavotra marina ity firenena ity, lavitry ny fitiavan-tena sy tombontsoa manokana nahazatra ireo tendan-kanina hatramin’izay? Mila alamina miandalana hatrany izany rehetra izany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT