Sosialy

Tambazotran-tserasera eto Madagasikara Ny zavatra kidaladala no tena manintona ny olona


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Rehefa mba zavatra mampiasa saina, na mampitombo fahalalana, na mila fikarohana no zaraina ao anaty tambazotran-tserasera ao dia tsikaritra fa vitsy ny manaraka sy mamaky ary mamoaka fihetseham-po momba izany.

 

 Rehefa tsaho, zavatra makotakota, mitapitapy, adaladala, manala azy, hoy ny filazan’ny tanora azy izay no misy mizara ao dia ireny no tena ankafizin'ny olona. Rehefa zohiana izany ny mahaliana ireo mpampiasa tambazotran-tserasera ary mety ho antony hampiasany izany mihitsy dia mba hanalana azy fotsiny sy hijerena fiainan’olona. Hitsikera sy be vava fa tsy mba hanovo fahalalana na hanitatra ny saina no tena mahamaika ny maro amin’ny fikirakirana tambazotran-tserasera sy aterineto na dia ambara matetika aza fa azo ampiasaina tsara hanitarana ny saina sy hahafantarana zavatra marolafy hampandrosoana ny maha olombelona manontolo mihitsy io. Ny tena loza dia misy efa tsy mianatra sy tsy miasa kanefa mandany vola amin’izy io ary dia vao miha zavatra hampilentika azy no jereny ao fa tsy ny zavatra hampisandratra azy. Ireo adolantsento sy tanora manodidina ny 13 ka hatramin’ny 20 taona rehefa natao ny fanadihadiana no tena matetika raikitra eo. Tiako ilay mandefandefa sary sy mananihany na mandefandefa zavatra sy miresaka amin’ny namako, hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Ho an’ireo manana anton’asa mazava kosa, indrindra, ireo mpitantana orinasa dia antony hanaovany Facebook, ohatra, ny ahazoana vaovao isan-karazany na momban’ny firenena, na havana, na namana. Misy torohevitra sy fampianarana azo tovozina ao, hoy ny mpitantana orinasa iray izay efa 50 taona, nanampy izany. Anomezako vaovao ny fianakaviako sy ny namako koa ary anaovana vazivazy, hoy izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT