Sosialy

Sosialim-bahoaka Hanamafy ny krizy ny andrakandrana isaky ny mihetsika


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Rehefa mandinika lalina ny zava-misy amin’izao fotoana dia tsapa mazava tsara mihitsy fa miaina amin’ny andrakandrana sy ny kitsapatsapa n’ny fitondrana Rajoelina.

Nisy ny valanaretina Coronavirus ny taona 2020 sy 2021, napetraka ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fepetra maro samihafa nifandraika tamin’izany dia nandeha ireo krazana ffanampiana sy fizarana : tosika fameno, vatsy tsinjo, tsena mora, kaly mora..nahazoana famatsiam-bola mazava ho azy.Natsangana ny hoe komity loharano fa hoe hitsirika sy hanisa ireo olona tena sahirana sy tena mila fanampiana eny anivon’ny fokontany.Inona no vokany ? Efa ho roa roa taona latsaka kely aty aoriana, korontana sy niteraka fiandrafiana teo anivon’ny fiarahamonina.Maro ny fitarainana tetsy sy teroa, aiza kosa ve ka olona mitondra fiara 4x4 pick-up no maka vary tsinjo . fa ireo mpitarika posy sy sarety , tsy nahazo fa nolazaina hoe : tsy nisoratra anarana ianareo. Ankehitriny io hita mitaky sy mitokona vatsi-pianaranna ion y mpianatra eny amin’ny oniversite; matoa mitokona tsy resaka « bourse” iray volana io fa misy efa mahatratra 4 volana tsy voaloa, iaraka amin’ny fampitaovana (équipement).F’angaha moa tsy efa natomboka tamin’ny 2020 ilay « diigitalisation » handrindrana sy handaminana io fizarana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra io ? Efa 2022 anie izao e. Dia tonga indray avy eo ny hoe famerana ny vidin’entana farany ambony; samy mba nandinika sy nanao kajy kosa ary hita fa migorisa any amin’ny fampiakarana ny vidin’entana aza io fa tsy famerana ny vidin’entana izany mihitsy.Ny fampidinana moa sady nofinofy no tsy azo atao rahateo satria efa nanaiky sy nametraka ny lalàn’ny tolotra sy tinady i Madagasikara ary tsy afaka mibaiko ny vidin’entana noho izany ny fanjakana ; mandrindra sy misintona lakolosy ary mifampiraharaha no afaka ataony .Fehiny , tojo krizy ny firenena ka raha tsy ahitam-bahaolana matoraa sy mahomby ao anatin’ny fotoana fohy izao dia azo antoka hiteraka savorovoro tsy ho hay tohaina eto.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT