Sosialy

Sehatra fambolena manerantany Niakatra 12% ny fifanakalozana ara-barotra


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Ny sehatra fambolena dia sehatra tsy dia ahitana fifanakalozana firy eo amin’ny samy firenena matanjaka. Maro ny antony mahatonga izany tahaka ny halafon’ny saram-pitaterana,

 

 

 

 ny fidangan’ny haban-tseranana ary ny tsy maintsy hanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Na izany aza anefa dia niakatra 12% ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’io sehatra io tamin’ny taona 2018. Sehatra feno disadisa ny fambolena ary hita ho miovaova hatrany ny vidin’ny vokatra maneran-tany. Antony ny fiovaovan’ny toetr’andro, eo ihany koa ny disadisa ara-politika any amin’ny firenena mpamokatra sasantsasany ary rehefa izay dia lasa fitaovana stratejika any amin’ny fifanarahana ara-barotra ataon’ny firenena 2 ny sehatra fambolena. Sehatra tena arovana ihany koa ny fambolena eo amin’ireo samy firenena matanjaka. Raha namaky ady ara-barotra tamin’i Sina ohatra i Etazonia tamin’ny nampiakaran’ny filoham-pirenena Donald Trump ny hetra alaina amin’ny aluminium sy ny vy dia namaly i Sina tamin’ny alalan’ny fampisondrotana ny haba alaina tamin’ny vokatra soja miditra any aminy. Tsiahivina anefa fa i Sina no mpanafatra soja voalohany avy any Etazonia. Tojo fahasahiranana anefa ny mpamboly amerikanina ary tafidina 2 dolara isaky ny vata famarana ny vidiny. Tetsy an-daniny, tsy maintsy mbola naloa ny vidin-jezika, nofaina ny tany sy ny fitaovana. Manoloana izany rehetra izany dia nihena ny vokatra vokarin’ireo mpamboly amerikanina ary nilatsaka koa ny vola noraisiny. Tsy ny soja ihany no voakasik’ity olana ity amin’izao fotoana dia ny sehatra fambolena rehetra ao Etazonia ary nitotongana 20-25% mihitsy ny fampidiram-bola. Tamin’izany dia namatsy 12 miliara dolara ny filoha amerikanina mba hanentsemana ireo fatiantoka rehetra tamin’io sehatra io. Vokany, tsy nanondrana soja tany Sina intsony ny amerikanina ary tsy maintsy nitady lalam-barotra hafa izy mba handray ny vokatra ka nitodi-doha tany amin’ny firenena eoropeanina. Tao anatin’iray volana izao dia nidina hatramin’ny 25% ny vidin’ny soja amerikanina ary niakatra kosa ny saran’ny soja brezilianina. Ankehitriny anefa dia lasa tsy maintsy nampitovy vidy tamin’ny amerikanina indray ny brezilianina satria ilay 12 miliara dolara dia nanampy tosika ny vokatr’i Etazonia. Miteraka fatiantoka ho an’ny brezilianina indray izany. Hita ho tsy mangarahara intsony ny fifaninanana ara-barotra ary tsy manaraka ny lalàn’ny tolotra sy tinady ny sehatra fambolena eo amin’ireo firenena mandroso ireo na dia nitombo aza ny fifanakalozana ara-barotra manerantany.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT