Vaovao nifandiso no nampiakatra ny vidina arina fandrehitra teto an-drenivohitra. Nogiazan’ny avy any am-potony mihitsy ny saribao fa natahotra ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, noho ny vaovao nalaza tamin’ny herinandro ambony fa tsy azo tapahana intsony ny ala.
Na ireo efa nahavita saribao mialoha aza tsy sahy namoaka ny azy, ireo mpitatitra ihany koa niahotra tanteraka. Efa tara ilay fanitsiana nataon’ny tompon’andraikitra amin’ny minisitera mpiahy, manoloana ireo sahoan-dresaka miparitaka any anaty ala ny tsy fikitihana ala. Maro amin’ny tsena no ritra ny entana, nefa ny hafarana ihany koa tsy misy antenaina. “Ireo telo kitapo ireo sisa ny anay, nefa mandritra ny rotsak’orana toy izao izahay mahatahiry hatramin’ny 400 gony. Ireo mpitondra ny entanay nilentika daholo. Niakatra 15.000 ny gonin’ny arina fandrehitra tanatin’ny tapa-bolana. Raha 40.000 Ariary izany tany aloha, lasa 55.000 ny gony be, ary tsy nidina intsony hatreto. Ny gony salantsalany salaka manga na mena no eo amin’ny 27.000 Ariary raha 20.000 tany amin’ny faran’ny volana janoary. Tsy nisy rotsak’orana be nifanesy tahaka ny fito andro mahazatra isan-taonaanaefa, hoy i Georges Ramaro, mpivarotra arina fandrehitra atsinjarany eny Talatamaty. Raha ireo mpivarotra saribao ambongadiny amin’ireo lalam-pirenena miditra ny vavahadin’ny renivohitra tahaka an’i Mahazo sy Ambohimahitsy aza samy milaza fa tsy manana entana avokoa, nefa amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra toy izao ihany no mandeha ity arina fandrehitra ity. Mbola mipetraka ho olana ny vina lavitr’ezaka amin’ny ho fanoloana ny arina fandrehitra. Mifikitra amin’izany mantsy ny akamaroan’ny tandrenivohitra, nefa azo antoka fa manam-paharitana ny ala atsinanana. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa ny fiakaran’ny herinaratra ka tsy maharoboka ireo mpanjifa hahandroana sakafo. Etsy an-daniny, lafo koa ny etona fandrehitra. Mitaky politika mazava ny fijerena akaiky io filana fototra io. Mila fanabeazana izany. Tsy vitsy mantsy ireo matahotra mampiasa herinaratra sy “gaz” noho ny loza mety haterany. Raha tsy ampy fahamalinana koa ny saribao mety hampidi-doza. Efa maro ireo tra-boina noho ny hain-trano na fahasemporana vokatry ny fatana saribao.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.