Novoizin’ireo mpanasa atidoha vahoaka hitarihana fankahalana kandida iray nandritry ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo ny resaka foko sy firazanana.
Voambolana fandre matetika ny hoe “Ranona kandidan’Antananarivo” na koa hoe “Ranona kandidan’ny faritany 6”. Taorian’ny fifidianana moa dia toy ny lasa fitaovana fitadiavan-tseza indray izany avy eo. “Izahay zanak’Ananona no tena nanohana anao”. Mitaha amin’ireo firenen-kafa zanatany frantsay izay efa manomboka tonga saina amin’ny tokony hialana amin’ny fanagejan’ny rafitra France-Afrique izany aloha hatreto dia isika Malagasy kosa no hita ho mbola taraiky raha ny zava-misy no asian-teny. Nanomboka tany amin’ny fidiran’ny fanjanahantany ny taona 1896 ka nandalo tamin’ny politikan’ny zarazarao hanjakan’i Charles de Gaulle tamin’ny 1910 izay namoahan’ireo mpahay vondron’olona frantsay fanasoakajiana fa “ny Merina malama loha”, “ny Betsileo jokotsoriaka”, “ny Tandroy Fangalarana”, “ny Betsimisaraka hakamoana” sy ny hafa marobe ka hatramin’izao dia mbola ahiana hampisara-bazana foana ity resaka foko sy firazanana ity. Raha ny fanazavan’ny Raiamandrenibe, Ramandimbison, monina any amin’iny Nosy varika iny dia tsy tokony hijanona amin’ny fifandraisan-tanana eo amin’ny samy mpanao politika sy ambony latabatra fotsiny ny famahana io olana io fa tokony hatao amin’ny fomban-drazana mihitsy, izany hoe amin’ny alalan’ny tsitsika sy dina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.