Sosialy

Resaka foko sy firazanana Mbola ahiana hampisara-bazana


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Novoizin’ireo mpanasa atidoha vahoaka hitarihana fankahalana kandida iray nandritry ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo ny resaka foko sy firazanana.

 

 Voambolana fandre matetika ny hoe “Ranona kandidan’Antananarivo” na koa hoe “Ranona kandidan’ny faritany 6”. Taorian’ny fifidianana moa dia toy ny lasa fitaovana fitadiavan-tseza indray izany avy eo. “Izahay zanak’Ananona no tena nanohana anao”. Mitaha amin’ireo firenen-kafa zanatany frantsay izay efa manomboka tonga saina amin’ny tokony hialana amin’ny fanagejan’ny rafitra France-Afrique izany aloha hatreto dia isika Malagasy kosa no hita ho mbola taraiky raha ny zava-misy no asian-teny. Nanomboka tany amin’ny fidiran’ny fanjanahantany ny taona 1896 ka nandalo tamin’ny politikan’ny zarazarao hanjakan’i Charles de Gaulle tamin’ny 1910 izay namoahan’ireo mpahay vondron’olona frantsay fanasoakajiana fa “ny Merina malama loha”, “ny Betsileo jokotsoriaka”, “ny Tandroy Fangalarana”, “ny Betsimisaraka hakamoana” sy ny hafa marobe ka hatramin’izao dia mbola ahiana hampisara-bazana foana ity resaka foko sy firazanana ity. Raha ny fanazavan’ny Raiamandrenibe, Ramandimbison, monina any amin’iny Nosy varika iny dia tsy tokony hijanona amin’ny fifandraisan-tanana eo amin’ny samy mpanao politika sy ambony latabatra fotsiny ny famahana io olana io fa tokony hatao amin’ny fomban-drazana mihitsy, izany hoe amin’ny alalan’ny tsitsika sy dina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT