Sosialy

Ranon’ny JIRAMA tapaka matetika Vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny fitomboan’ny filàna


  • Zoma 25 Janoary 2019

Nitondra fanazavana manokana momba ny rano tapaka vatsiany, Rtoa Francesca Tsitohery Andriamampinona, talen’ny serasera eo amin’ny orinasa JIRAMA omaly.

  Nambarany fa tsy fanahy iniana akory sanatria ireny zava-mitranga ireny fa vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa,  izay efa tamin’ny andron’ny vazaha avokoa, ny fahaverezan-drano  toy ny hita eny amin’ny oniversite antony tsy hahatafakaran’ny rano eny amin’ny tanànan’Ambatomaro ary ny fitombon’ny filàna ateraky ny hafanana diso tafahoatra ankehitriny. Manampy trotraka izany dia miainga avy any Mandroseza  ny rano vatsian’ny JIRAMA mahatratra 230.000 m3 isan’andro, ampy tsara ho antsika eto Antananarivo, mamakivaky ny renivohitra izay vao mandeha any amin’ireo toerana maro samihafa tsy mahazo izany. Misy amin’ireo toerana ireo anefa no efa tratra ilay fantsona manary rano fotsiny  na koa ilay fantsona efa mihatery ka zara raha mahazo. Nomarihin’ity talen’ny serasera eo anivon’ny JIRAMA ity moa fa na dia tsy mipetra-potsiny izy ireo. Ho an’ireo fokontany sasany lasibatra dia efa nangataka tany hahafahany misintona rano any ambanin’ny tany izy ireo raha misy. Ny olana anefa dia efa saika maina be avokoa ny tany noho  ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manohy hatrany ilay fanaterana rano amin’ny fiara isan-tanàna izy ireo vokatr’izany. Mikasika ny  vahaolana lavitr’ezaka kosa dia nambaran’ity tale iray ity fa hisy ny tetikasa iarahany amin’ny  banky eoropeanina ka tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ireo fotodrafitrasa efa tena antitra rehetra. 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT