Sosialy

Rano fisotro eto Madagasikara Misy mampiahiahy hatrany ny fahadiovany


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Ankoatran’ireo ahiahy mipetraka tany aloha raha nahita ny lokon-dranon’ny Jirama izay indraindray mavo be ary indraindray toy ny lokon-dranom-boamadilo na sokola dia hita ho niverina indray ny toy izany tato ho ato.

 

 Mampiahiahy ny maro hatrany, araka izany, izay dion-drano jifainy izay na dia miezaka manala izany aza ny orinasa jiro sy rano malagasy. Misy moa ny fenitra iraisampirenena mikasika izay resaka dion-drano izay ary andrefesana izay ny tahan’ny maloto ao anatin’ny rano, izay mba tsy hilazana azy amin’ny teny mety handratra sofin’olona maro dia io ilay antsoina hoe « coliformes fécaux », hoy ny frantsay. Raha mbola eo anelanelany 1 hatramin’ny 10 izay taha izay dia mbola azo sotroina tsy am-pisalasalana ny rano. Tokony efa hampangotrahana na diovina kosa izany eo amin’ny taha manodidina ny 10 ka hatramin’ny 100. Efa tena maloto ny rano raha mihoatra ny 100 ka hatramin’ny 1000 ary tsy maintsy diovina raha tiana ny hampiasa sy hisotro azy. Raha mihoatra izay moa dia efa fanary. Ny Institut Pasteur de Madagasikara aloha hatreto no fantatra fa ivom-pitiliana isan’ny manao io antsoina hoe « analyse bactériologique » sy « analyse de potabilité » io amin’ny ranon’ny Jirama, ohatra. Asa na hanatanteraka izany koa izy ireo amin’ity tambavy CVO ity manoloana izao disadisa eo amin’ny sy ny fitondram-panjakana izao.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT