Sosialy

Lasa mamahana voafonja I Malama mivady “Zava-doza ny aty, lanin’ny voalavo hatramin’ny faty…”


  • Talata 07 Febroary 2023

Nohelohin’ny Fitsarana higadra 2 taona i Mahery Lanto Manandafy na Malama ny 01 febroary teo noho ny fitorian’ilay polisy nambarany fa mpanelanelana amin’ny famatsiana bala,

miampy 18 volana noho ny fitorian’ilay vazaha notondroiny ho mpamatsy bala. Raha toa ka mahazo rariny amin’ilay hoe: “confusion de peines” dia mitambatra ao amin’ilay sazy ambony kokoa ny ambany, dia roa taona no hitazonana azy any am-ponja, raha tsy misy fampihenana raha nanao fampiakarana na koa tsy misitraka fihenan-tsazy. Nanomboka ny 30 septambra 2022, izany hoe 5 volana izay no vitany, ary mbola misy 20 volana eo. Na any am-ponja aza anefa, mbola mitondra hafatra amin’ny alalan’ny vadiny I Malama, ka omaly dia nitondra hafatra izy mivady. “Hafatray mivady! Nalefanareo tany amin'ny fonja mafy indrindra aho ato Antanimora dia nahita. Hitanay ary tsapanay ny tena fahoriana aty am-ponja. Mafy ary tena marary ny iainan'ireo gadra. Anefa izany tsy nahakivy anay fa vao maika nataonay fanilo. Betsaka ao ny tsy "tonga mama" tsy misy hantenaina hivelomana raha tsy ny "gagazo" ary aman-taonany, ny malemy indrindra amin'ireny dia resy rehefa mihamalemy izy dia tsy maintsy ampidirina “infirmerie”, fa izy efa tonga any efa miandry fodiana any amin'i Ray, 4500 mahery izahay ato, dokotera 2 sy “majors” vitsivitsy manao ny ainy tsy ho zavatra. Raha sendra tara moa ny fianakaviana dia manao ny asany ny voalavo, tsy te hiteny “details” aho fa azonareo an-tsaina angamba ireny “film d'horreur” ireny”, hoy ny fitantarany ny zava-misy. Tena zava-doza satria raha ny vaovao azo, dia nisy razana iray 4 andro tao am-ponja, nohanin’ny voalavo, ka mampivarahontsana satria ny faritry ny lohany no isan’ny nokaofin’ny voalavo. Tsy nanaiky ny sain'i Malama ka dia nanapa-kevitra izy mivady fa hamahana vary gadra 120 isan'andro, ho an'ireo mahantra sy marary indrindra, tsy nisalasala koa nanamboatra "vatapaty" mba tsy ho lanin'ny voalavo ny razana mba hahafahan'ny olon-tiany manao veloma farany, hoy ny fitantaran’ny vadiny, izay nanipika fa tsy hoe “werawera” fa vonjy aina ary mihantra amin'ny fiainan-tokatranon’izy ireo ilay fiafiana. Tsy afaka ny hisora-tena miaro ny vahoaka madinika i Mahery raha hijery fotsiny izao fahoriana be izao kanefa manomboka lany vatsy ihany koa, koa na misy ianao, na vary iray kapoaka aza, mety manavotra ain'olona iray iny, hoy ny antso avo. Nidera ireo mpiandry fonja na misy aza ny fanenjehana satria aminy raha ny fanjakana foibe no nandrasana, ary 10 heny no maty. Maneho i Mahery Lanto Manandafy, raha tarafina amin’ny hafatra avoakany, fa diso hevitra ny mpandedika azy mieritreritra fa mijaly be, nafangaro any amin’ny daholobe, mihinana « gagazo », mitomany lava,… saingy misy ireo manohana sy manampy azy ao anatin’ny sarotra satria resy lahatra amin’ny tolona nataony, ary ny zava-misy ankehitriny amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, fipariahan’ny fitaovam-piadiana,… dia toa mampitombina ny nambarany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT