Maherin'ny 150 ireo mpitsoa-ponenana monina eto Madagasikara raha ny tarehimarika navoakan'ny fikambanana CDA, izay miahy azy ireo.
Teratany Afghan, Pakistane, Syrianina, Afrika afovoany, Yémen... no mandrafitra azy ireo. Maro ireo antony mahatonga io lalàna io tsy mipetraka eto amintsika. Eo ny endrika tsy fanarahana ny zon'olombelona. Manaraka izany, ilay toe-tsaina volen'ny hafa ny amin'ny fanahiana hangalan'ireo olona ireo ny harena eto Madagasikara. Raha toa ka tafatsangana ny birao manokana misahana ireo olona tsy manana sata mazava na ny atao hoe"apatride " dia fantatra fa tsy miasa araka ny tokony ho izy izany. Izany ihany koa dia antony tsy hankatoavan'i Madagasikara an' ilay lalàna. Ny minisiteran'ny fitsarana ihany koa dia manamafy fa na tsy mazava ny lalàna mifehy ny mpitsoa-ponenana dia mitoetra foana ny lalàna iraisam-pirenena. Mamaritra rahateo io fifanarahana io fa vao milamina ny toe-draharaha ao amin'ny firenena iray nitsoahan'ireo mpitsoa-ponenana ireo dia tsy maintsy miverina any amin'ny taniny. Marihana fa ny fikambanana CDA no miahy azy ireo eo amin'ny lafiny ara-tsosialy ary ny rantsamangaika eo anivon'ny firenena mikambana (UNHCR) no mamatsy vola azy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.