Sosialy

Lalàna mifehy ny mpitsoa-ponenana Maro ireo sakana amin'ny fampiharana azy


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Maherin'ny 150 ireo mpitsoa-ponenana monina eto Madagasikara raha ny tarehimarika navoakan'ny fikambanana CDA, izay miahy azy ireo.

 

 

 

 

Teratany Afghan, Pakistane, Syrianina, Afrika afovoany, Yémen... no mandrafitra azy ireo. Maro ireo antony mahatonga io lalàna io tsy mipetraka eto amintsika. Eo ny endrika tsy fanarahana ny zon'olombelona. Manaraka izany, ilay toe-tsaina volen'ny hafa ny amin'ny fanahiana hangalan'ireo olona ireo ny harena eto Madagasikara. Raha toa ka tafatsangana ny birao manokana misahana ireo olona tsy manana sata mazava na ny atao hoe"apatride " dia fantatra fa tsy miasa araka ny tokony ho izy izany. Izany ihany koa dia antony tsy hankatoavan'i Madagasikara an' ilay lalàna. Ny minisiteran'ny fitsarana ihany koa dia manamafy fa na tsy mazava ny lalàna mifehy ny mpitsoa-ponenana dia mitoetra foana ny lalàna iraisam-pirenena. Mamaritra rahateo io fifanarahana io fa vao milamina ny toe-draharaha ao amin'ny firenena iray nitsoahan'ireo mpitsoa-ponenana ireo dia tsy maintsy miverina any amin'ny taniny. Marihana fa ny fikambanana CDA no miahy azy ireo eo amin'ny lafiny ara-tsosialy ary ny rantsamangaika eo anivon'ny firenena mikambana (UNHCR) no mamatsy vola azy ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT