Sosialy

Herinaratra azo avy amin`ny rano Manana tombony i Madagasikara


  • Talata 18 Jona 2019

Nosy efatra eto amin`ny ranomasimbe indianina miaraka amin`i Madagasikara no miara-midinika sy mizara traikefa ny amin`ny lafiny herinaratra.

 

 

Tsy iza izany fa ireo mpikirakira herinaratra mivondrona ao amin`ny “club des electriciens de l`Ocean Indien” ahitana an`i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Comores ary Madagasikara. Miisa 13 izy ireo no mikaondoha. Tombony ho an’i Madagasikara amin`ny herinaratra ny fampiasana rano raha mihoatra amin`ny herin`ny masoandro, hoy ny tale jeneralin`ny JIRAMA, Jaomiary Olivier. Mijery ny ho avy amin`ny fampiasana angovo azo havaozina satria tsy mitovy ny fandrosoana amin`ny jiro, fandotoana tontolo iainana na “pollution”. Marina fa ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro foana no omena tombony kanefa tsara ho antsika ny herinaratra azo avy amin`ny rano. Manana renirano betsaka ka  tombony ho antsika izany ka tokony harovana. Maro eto ambonin’ny tany no miditra amin`ny herinaratra azo avy amin`ny masoandro saingy ny rano no tsara ny vokatra sady ambany ny vidiny. Marihina fa i Madagasikara dia alohan`ny farany amin`ireo firenena dimy voalaza ireo amin`ny fampiasana angovo azo havaozina. Antony, hoy ity tale jeneraly ity, nisy paikady sy fampiasana vola tsy nety toy ny firenena afrikanina maro. Manana rano sy masoandro isika ka manana tombony amin’ireo nosy hafa. Nomarihany fa fanadiovana ny tsy nety teo aloha no tokony hatao amin`izao. Misy paikady manokana iarahan`ny fanjakana amin`ny JIRAMA entina hanatsarana ny toe-bola eo anivon`ity orinasam-panjakana ity. Tokony hihena ny vola mivoaka raha mihatra izany ary efa ny 90%-n`ny asa no efa vita. Mahakasika ny fiatrehana ny CAN sy ny fetim-pirenena dia nanome toky ny tale jeneralin`ny JIRAMA fa hisy ny ezaka manokana amin`ny fampandehanana ny jiro sady hihena ny fahatapahana manerana ny nosy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT