Hafatra ho an’ny mpitondra fanjakana

« Vahao ny olan’ny Jirama raha tena mahay mitantana marina »


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Firenena faha 13 ahitana mponina betsaka indrindra tsy manana herinaratra i Madagasikara

raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena . Malagasy 18 tapitrisa no tsy manana jiro ao an-tokantranony izany hoe tsy anana herinaratra. 33,7% ny tahan’ny fananana herinaratra teto Madagasikara ny taona 2020.Tena latsaka ambany be io raha ampitahaina amin’ireo firenena afrikana atsy amin’ny faritra atsimon’i Sahara satria ny salanisa ho an’ireo dia 48,4 %.
FITANTANANA GABORARAKA
Manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa Decim ny banky iraisam-pirenena ka manokana vola mitentina 400 tapitrisa dolara. Tanjona ny hahazoan’ny olona 10 tapitrisa herinaratra. Tetikasa mbola an-dalam-panatanterahana moa izy io.Ny mahagaga sy mahatalanjona dia efa ho 50 taona latsaka kely izao ny Jirama , izay nanomboka ny 17 oktobra 1975 no naha orinasam-panjakana azy, kanefa dia arakaraky ny naha be taona azy no nampitombo ny fahavoazany. Malaza ho anisan’ireo orinasa fangalan’ny fanjakana volabe tamin’ny taona 80 sy 90 ny Jirama, tahaka ny Air Madagasikara. Manampy an’io ny fisiana gaboraraka amin’ny fitantanana, aty amin’ny taona 2020 , potika tanteraka ireo orinasa ireo. Samy harem-pirenena ireo fa ny Jirama moa no tena misy fantraikany henjana isan’andro any amin’ny fiainam-bahoaka sy ny tontolon’ny asa ary ny toekarena mihitsy aza.
VAHAOLANA MAHOMBY FA TSY KABARY
Nankalazaina ny teny filamatra hoe Jirama manavao na « la Jirama Innove », saingy ny hita aloha dia Jiramaty..la Jirama est morte. Maty lava ny jiro, tapaka lava ny rano.hatreto tsy mbola re hoe inona ny vahaolana maharitra sy mahomby.Ilay orinasa asa moa tsy manana tale jeneraly. Hoy ny resaky ny olom-pirenena any anaty fiarahamonina any : Raha tena te hambabo ny fon’ny vahoaka ny mpitondra fanjakana dia io olan’ny jirama sy ny famokarana angovo io no mila vahana. Dia aza ajanona ho propagandy fotsiny ilay vavabe tamin’ny 2018 hoe ampitomboina 2 avo heny ny herinaratra vokatra eto ka ny 400MW ho lasa 800MW. Na ny angovo mampiasa solika na ny angovo azo havaozina dia mitaky fampiasam-bola matevina, koa raha tena mahay sy mahira-tsaina ny mpitondra dia mitady ny paika sy tetika rehetra hanatanterahana izany , fa tsy mitavandra fanampiana sy mampijaly mpanjifa fotsiny, hoy ireo mpanjifan’ny Jirama efa tena rerakamanefa faktiora kanefa miaina anaty haizina sy tsy anan-drano lava. Tsy vahaolana mandrakizay ny fitsitsiana. Tsara ho tadidiana fa tsy misy fampandrosoana vanona rehefa tsy ampy ny angovo ampiasaina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT