Sosialy

Fitiavam-bola aman-karena Fasana 50 nokorontanina ambony ambany


  • Talata 23 Aprily 2019

Ravan’ny siansa sy ny fivavahana vahiny sasany ny fanajana ny razana izay heverina fa mananjina. Ankoatra ny halatra taolam-paty, fikarohana ny vola sy harena nampitondraina ireo razana araka ny fomba no manosika ireo olondratsy mamaky fasana. Noho ny fahantrana lalina ihany koa no mahatonga ny tsy mataho-tody manaotao foana toy izany. Nitrangana vaky fasana niseho lany tao Belalanda, Toliary.

«Efa in-telo nisesy ny vaky fasana tato anatin’ny telovolana. Fasana maherin’ny 50 no vaky ny sabotsy 20 avrily teo. Miandrandra ny fandraisana andraikitry ny manam-pahefana isan-tokony ireo fianakaviana lasibatra teto Ankiriho Belalanda, Toliary”. Araka ny fampitam-baovaon’ny renim-pianakaviana iray, Madamo Rivah. Araka ny loharonom-baovao avy any an-toerana, nisaritaka tanteraka ireo razana tamin’ireo fasana ireo. Nisy ny taolana tsy hita fa ny vola aman-karena nentin’ireo razana nilevina no nanjavona avokoa. Araka ny fomban-drazana amin’ny faritra maro, indrindra iny atsimon’ny Nosy iny, ampombaina vola sy harena sarobidy ireo nody mandry mba hangatahan-tsodrano sy fitahiana avy amin’izy ireo ho an’ireo velona. Mihevitra ireto farany fa mila izany ireo nody mandry izay heveriny fa tsy maty fa matory. Araka ny fandadihadian’ny mpandinika ny fomban-drazana Malagasy sady Antrôpôlôgy, Tiana Hary Lala, eritreretin’ireo zanaka amam-para mantsy, hoy ity mpandinika ity fa hananan-tsiny ny tsy fanatanterahana izany fampitondrana vola,harena sarobidy an’ireo nody mandry izany. Lova avy amin’ireo havana nody mandry ihany mantsy ireny harena sy vola ireny ka omena azy ny anjarany. Noho ny fondrosoan’ny siansa sy ny fivavahana vahiny sasany izay nanimbazimba izany finoan-drazana izany dia miharava tsikelikely ny fomban-drazana. Etsy andaniny ihany koa, araka ny fandiniky ny Antrôpôlôgy hatrany, anisan’ny nandrava tanteraka izany fanomezan-kasina ny razana izany ny fitiavam-bola tafahoatra. Manampy trotraka ity fanompoana ny vola aman-karena tafahoatra ity ny fahantrana lalina izay mianjady ny vahoaka Malagasy, indrindra ny faritra maina any Atsimon’ny Nosy.

 

Haja Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT