Ravan’ny siansa sy ny fivavahana vahiny sasany ny fanajana ny razana izay heverina fa mananjina.
Ankoatra ny halatra taolam-paty, fikarohana ny vola sy harena nampitondraina ireo razana araka ny
fomba no manosika ireo olondratsy mamaky fasana. Noho ny fahantrana lalina ihany koa no
mahatonga ny tsy mataho-tody manaotao foana toy izany. Nitrangana vaky fasana niseho lany tao
Belalanda, Toliary.
«Efa in-telo nisesy ny vaky fasana tato anatin’ny telovolana. Fasana maherin’ny 50 no vaky ny sabotsy 20 avrily teo. Miandrandra ny fandraisana andraikitry ny manam-pahefana isan-tokony ireo fianakaviana lasibatra teto Ankiriho Belalanda, Toliary”. Araka ny fampitam-baovaon’ny renim-pianakaviana iray, Madamo Rivah. Araka ny loharonom-baovao avy any an-toerana, nisaritaka tanteraka ireo razana tamin’ireo fasana ireo. Nisy ny taolana tsy hita fa ny vola aman-karena nentin’ireo razana nilevina no nanjavona avokoa. Araka ny fomban-drazana amin’ny faritra maro, indrindra iny atsimon’ny Nosy iny, ampombaina vola sy harena sarobidy ireo nody mandry mba hangatahan-tsodrano sy fitahiana avy amin’izy ireo ho an’ireo velona. Mihevitra ireto farany fa mila izany ireo nody mandry izay heveriny fa tsy maty fa matory. Araka ny fandadihadian’ny mpandinika ny fomban-drazana Malagasy sady Antrôpôlôgy, Tiana Hary Lala, eritreretin’ireo zanaka amam-para mantsy, hoy ity mpandinika ity fa hananan-tsiny ny tsy fanatanterahana izany fampitondrana vola,harena sarobidy an’ireo nody mandry izany. Lova avy amin’ireo havana nody mandry ihany mantsy
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.