Ny malagasy no tena mpanjifa
ny divay vita ao Fianarantsoa izay amidinay eto, hoy ny mpandray sy mpivarotra divay ao Ambositra, Razaiarisoa Josiane Clarà. Nanomboka tany amin’ny taona 2020 na 2021 tany izao no nanombohana nivarotra teto, hoy izy. Raha misy mpanjifa miisa 10 tonga eto anaty andro iray dia ny 4 amin’izay ihany no teratany vahiny ary ny divay somary mangidy no tena tiany. Mahalafo, fara-faha betsany divay iray tavoahangy miisa 5 isan’andro eo izahay fa indraindray tsy mahalafo mihintsy. Manomboka amin’ny 25.000 hatramin’ny 32.000 Ariary no hamarotana ireo divay. Miavaka ny tsiron’ny divay vita malagasy. Tsy dia misy manahirana loatra ny tsenan’ny divay raha ho anay mivarotra ankoatran’ny saran’ny fiakàrana any Fianarantsoa maka ireo entana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.