Tsaramasoandro

– Ankazobe


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Saribao nandrahoana mangahazo

niitatra ka nandoro tanàna
Nitrangana haintrano goavana tao Irindravato Kaominina Tsaramasoandro Distrika Ankazobe ny sabotsy 17 oktobra 2026. Sahabo ho tamin'ny 10 ora maraina teo no niandohan'ny afo tamina tokantrano iray. Tsy mbola voafaritra mazava ny antony fa tombantombana ihany ny hoe : nisy afon-tsaribao nanokonana mangahazo tao ambony rihana amina trano iray. Sendra nivoaka nividy karibonetra ny tompontrano, ka raha izy niverina avy any no efa nirehatra trano. Ny rivotra nitsoka no nampihitatra nalaky ny afo tao an-tanàna. Saika tafo bozaka rahateo ny ankamaroan'ny trano ao an-toerana. 64 tafo ny trano may izay namela traboina 320. Tsy nisy aina nafoy saingy lehibe ny fahavoazana. May ny tahirim-bary ankoatra ny fanaka sy ny fitaovan'ny mpianatra samihafa. Saika tany an-tsaha moa ny mponina tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza ka zara raha nisy entana voavonjy. Misy dia ny akanjo teny an-koditra sisa tavela. Miantso vonjy ny ao Irindravato satria tsy manan-koraisina, anatin'ny fikarakarana ny taom-pambolena rahateo izao ny tantsaha.
Jean D.
Haintrano goavana tao Irindravato-Tsaramasoandro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FISOLOKIANA
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

AMIN’NY MENA MAHAZO

  • Vitrine
  • Zoma 16 Oktobra 2026

du Vakinankaratra

  • MAHAVELONA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ANKAZOBE

  • Vovonana
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

famerenan-kasina ny Fokonolona

  • HERISETRA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

MIANJADY AMIN'NY ANKIZY

  • Divay vita ao Fianarantsoa
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Malagasy no tena mpanjifa

Hijery ny tohiny
FTT