Sosialy

Fijininihan-dra lava na hemophilie 150 no fantatra fa voany eto Madagasikara


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Aretina tsy fantatra raha tsy amin’ny alalan’ny fitiliana ra irery ihany ny fijininihan-dra lava na ny “hemophilie”.

 

 

 Vokatry ny tsy fahampian’ny singa mahatonga ny tsy fivainganan’ny ra izy io, hany ka mijininika ra hatrany ilay lasibatra raha sanatria ka misy ratra mahazo azy. Ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona hatao didim-poitra, ohatra ,ka voan’ity aretina ity dia mety tsy hijanona mihitsy ny ràny raha tsy hampidirana io singa io izay efa maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ho an’ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha. Manodidina ny 6 hetsy Ar  kosa  no vidin’ilay facteur raha vidiana vola ary tsy maintsy hampidirina isam-bolana ho an’ireo manaraka fitsaboana.  Nampahafantatra ny fisian’ity aretina ity sy ny tokony hitandreman’ny olona tetsy Anosy omaly ny talen’ny hopitaly HJRA sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny “Novo nordisk haemophilia foundation” izay mamatsy azy ireo ilay facteur. Nivoitra tamin’izany fa vao 150 olona hatreto no fantatra fa tratry ny hemophilie raha mbola betsaka ny any ivelany. Hihazo an’Antsiranana izy ireo hanao fitiliana hahafahana mamantatra ireo marary rehetra manerana ny Nosy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia mety hitranga amin’ny alalan’ny mangana ihany koa ny hemophilie raha voadona mafy ilay marary, izany hoe tsy misy ra mivoaka. Iny dona iny anefa mety hitarika tangongon-dra any anaty hozatra na any anaty vanin-taolana izay mety hahafaty mihitsy raha tsy voatsabo.  Aretina lovaina avy amin-dray aman-dreny ny hemophilie.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT