Ny 35 %-n’ny Malagasy tamin’ny taona 2015 no fantatra fa tratry ny aretina AVC na ny fahatapahan’ny lalan-drà araka ny fanadihadiana nataon’ny Association de Médecine Physique et de Réadaptation à Madagascar ( AMPR).
Tamin’ny taona 2018 indray dia mahatratra 1 amin’ny dimy ny tera-tany Malagasy matin’ny AVC isam-bolana araka ny fanadihadiana nataon’ny AMIT. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izy io amin’ny ankapobeny fa saika lasibatra avokoa ny rehetra. Mba ho fanampiana azy ireny indrindra sy ny mpiray Tanindrazana dia fantatra fa hanokatra hopitaly hitsaboana ireo olona mararin’ny AVC ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina.
TSY MPITSABO
Tsy mpitsabo no sady tsy mpivarotra fanafody ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, filohany omaly fa mpanohana ny fitsaboana nentim-paharazana. Amin’ny alalan’ny otra sy ny fitsaboana amin’ny zava-maniry izay tsy tambavy fa enton’ny zava-maniry handrahoana na eau florale, kalitao faharoa amin’ny huille essentielle, no hanatanterahany izany, fehezin’ny lalana laharana 2011-002. Nomen’Andriamanitra fahasoavana lehibe ny Malagasy raha araka ny fanazavany, mañana ireo karazan-java-maniry natoraly sy bio izay manasitrana aretina maro samihafa no sady manasitrana eo noho eo ihany koa. Izany indrindra no nanosika azy ho resy lahatra amin’ny fanampiana ireo mpiray Tanindrazana tratry ny tsy fahasalamana manerana ny Nosy.
MAMPIASA FITAOVANA HIAKA FARANY
Tsy mijanona fotsiny amin’izao ny FITRAMA fa miezaka mivoatra mba hahomby ny fitsaboana hataony amin’ny alalan’ny zavamaniry sy ny otra. Ho an’ity farany manokana ohatra dia fitaovana avy any China mihitsy no nafaran’izy ireo hanorana ny marary ka lohalaharana amin’ireny olona ireo tratry ny AVC, ireo lehilahy maty filahiana sy ireo mañana olana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Ho an’ny zava-maniry kosa indray dia mañana amina ha maro izy ireo any Farafangana izay ny FITRAMA mihitsy no mamboly azy, misy mpiasa maromaro ka nisy tamin’ireo fanafody efa novokariny no nandalo teo ambany fanaraha-mason’ny Institut Pasteur de Madagascar sy nandalo “essaie clinique” saingy amin’izao fitondrana izao vao nomen’ny Filoham-pirenena am-perin’asa fahalalana tanteraka izany.
RANTSANA FAHA-16
Afaka miasa malalaka ny mpitsabo nentim-paharazana manerana ny Nosy, raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny FI.TRA.MA hatrany. Na izany aza anefa dia manara-maso sy miara-miasa akaiky amin’izy ireny kosa ny medecin inspecteur ao amin’ilay faritra misy azy. Mikasika ny fiaraha-miasan’ny FI.TRA.MA amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia fantatra fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta tamin’ny alalan’ny rantsamangaika DPLMT. Malalaka ny fitsaboana nentim-paharazana tanterahin’ny FI.TRA.MA raha araka ny fanazavany hatrany saingy hatreto dia ny ANTM no mpitarika izany eto amintsika. Na izany aza anefa dia mañana rantsana 15 ny ANTM ankehitriny ka eo am-pangatahana ny rantsana faha-16 ny FI.TRA.MA ankehitriny raha miara-dalana sy manohana ny IEM vinan’ny Fitondram-panjakana ihany koa izy ireo.
HANOKATRA HOPITALY
Taorian’ilay vokatra vaovao Kely mavitrika moa dia fantatra fa hanokatra hopitaly hitsaboana ireo olona mararin’ny A.V.C eto amintsika ihany koa ny FI.TRA.MA ho fitsinjovana azy ireny tsy hivezivezy. Any amin’ny PK 67, lalam-pirenena faha-efatra no hananganana izany foto-drafitrasa izany, toerana nanaovana ilay tetikasa fananganana tanana vaovao teo aloha. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy ho azy ny Fitsaboana nentim-paharazana sy ny fampiroboroboana izany eto amintsika na ho an-dRakotondranaivo Jean Pierre mpitsabo nentim-paharazana fa natao ho an’ny Malagasy rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.