Sosialy

Faritra atsimon’i Madagasikara Olona 2,2 tapitrisa iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Mahatratra 2,23 tapitrisa ireo olona ao anatny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na “insécurité alimentaire aiguë élevée » na “IPC Phase 3” any Atsimon’ny Nosy,

araka ny tatitry ny Firenena Mikambana na ny ONU. Any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo-Atsinanan’I Madagasikara no ahitana izany, manome 36% amin’ny isan’ny mponina ao anatin’ireo distrika 21 nanaovana fanadihadiana. Na izany aza, hatreto, mbola tsy misy distrika voasokajy ho ao anatin’ilay antsoina hoe “en situation de catastrophe” na “IPC phase 5” kanefa efa tena henjana ny zava-misy. Mahatratra 250 000 eo manome 4% kosa no efa ao anatin’ny hamehana sy atahorana mafy “en situation d’urgence” na “IPC Phase 4”. Atahorana mafy ny hitomboan’ny fahavoazana ary ahiana hiitatra sy hanatratra ny isa farany ambony na « pic » hatramin’ny volana martsa amin’ity taona 2023 ity noho ny vanim-potoana maintso ahitra, tena manahirana ny miatrika azy. Ny distrikan’Ikongo sy Bekily no voasokajy ho isan’ny tena lasibatra indrindra satria mahatratra ny 15% amin’ny mponina ao aminy no efa ao anatin’ilay IPC phase 4. Arahin’I Befotaka sy Ampanihy izay samy 10% avy eo amin’ny mponina no ao anatin’izany. Any amin’ny Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy, Ampanihy, Bekily ho an’ny Faritra Atsimo, ary Befotaka kosa ho an’ny Atsimo Andrefana dia ny 50 hatramin’ny 65% amin’ny mponina no ao anatin’ny IPC Phase 3. Isan’ny fanatsarana heverina fa hanatsarana ny fiainan’ny olona ny fihatsaran’ny ara-toetr’andro, raha ny hevitr’ireo manam-pahaizan’ny ONU. Nisy orana betsaka tato ho ato, ka heverina fa ahafahana mahazo vokatra tsara ara-pambolena. Heverina fa hitohy ny fihatsarana hatrany amin’ny aprily-jolay 2023 noho ny fahatongavan’ny taom-piotazana lehibe. Na izany aza, manahirana ny zava-misy satria tsy arakaraka ny seraseran’ny Fanjakana. Vao tsy fa ny faramparan’ny taona 2022 no nisy antontan’isa navoakan’ny iraisam-pirenena nilaza fa manodidina ny 8,8 tapitrisa ny Malagasy ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Io mivoaka io ny antontan’isa any Atsimo. Ny Filoham-pirenena sy ny ekipany anefa mirehareha fa dia izy, hono, no tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika noho ny ezaka sy ny programan’asa entiny. Tena mampiteny mampanongo tena tsy andaniny ny maheno sy mahita ny antontan’isa maneho ny fisian’ny vahoaka an-tapitrisany maro fadiranovana ara-tsakafo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT