Sosialy

Fanomezana ra maimaimpoana Tsy mampazoto firy ny olona


  • Talata 14 Mey 2019

Tsy mitombo mihitsy ireo mpanome ra eto amintsika, raha araka ny fanazavan’Atoa Nomena, tompon’andraikitra misahana ireny fakàna ra etsy sy eroa ireny eo anivon’ny « Centre National de transfusion sanguine »

 

 

 

 

eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Raha 100 % ireo mpanome ra manatona azy ireo manerana an’i Madagasikara dia ny 20 % amin’izy ireo ihany no tena manome ny rany an-tsitrapo hamonjena ny mpiara-belona fa ny ankoatra izay dia  voatery avokoa noho ny havany na namany tojo tsy fahasalamana. Tsy dia azo antoka anefa ny ankamaroan’ireny noterena ireny raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity hatrany, antony tsy mahampy ny tahirin-dra eo anivon’ny CNTS.  Fanafody ny ra saingy tsy azo vidiana eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody. Ho antsika eto Madagasikara manokana, mahatratra 35.000 paosin-dra isan-taona no ilaina ka ny 20.000 paosy amin’ireo dia lany eto Antananarivo avokoa. Ireo vehivavy saro-piterahana, ireo olona marary mafy mandalo fandidiana, indrindra fa ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana no tena mandany. Nomarihiny moa fa tsy vidiana ny ra, indrindra fa ho an’ireo manana ny tsy salama mitsabo tena eny anivon’ny hopitalim-panjakana. Raha maka paosin-dra iray kosa anefa ny tompon’ny marary iray dia tsy maintsy soloina ho roa, izany hoe mitondra olona roa samihafa alaina ra. Miantso fiaraha-miasa amin’ireo olona mahatratra olona manao kolikoly amin’ny ra ny tompon’andraikitra, indrindra fa ny manolotra vola.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT