Tsy hoe rehefa fanesorana ny olona amin’ny taniny (expropriation) dia azo ekena na tiana na tsy tiana na mety na tsy mety fa misy lalàna mandamina azy io,
hoy ny mpitsara Fanirisoa Ernaivo manoloana ny raharaha Ambohitrimanjaka. Mialoha ny hanesorana dia misy “etudes d'impact environnemental” atao, misy ny dingana tsy maintsy arahina : manao “enquette de commodo et in commodo” ny fanjakana. Ny dikan'io dia henoina ny hevitry ny tompon-tany sy ny manodidina mikasika ilay tetikasa, tombana amin’ny sarany sy ny tombontsoa (bilan coût et avantage), ifampierana ny onitra sy ny toerana amindrana azy. Izay vao mamoaka ny didim-panjakana (décret portant expropriation pour cause d'utilité publique), ny fanjakana ny fifampiresahana amin’ny tombontsoa sy ny voka-dratsy amin’ny mponina ary misy ny fifampidinihana momba ny hametrahana ireo olona hesorina. Tsy vitan'ny nanao velirano izay “acte unilateral” na azy manokana dia ny olona rehetra no voafatotra amin ilay velirano ka azo dinganina ireo voalazan’ny lalàna rehetra mikasika ny fanatanterahana ny “expropriation”, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Raha tsy tanteraka ireo rehetra voalaza ireo dia fanaisorana tsy ara-dalàna sy amin-kery ary heloka manitsakitsaka ny zon’olombelona na “Expropriation illegale, abusive, crime contre l’humanité” no anarany, hoy ity mpitsara ity. Azo toriana eny amin'ny filankevi-panjakana na “Conseil d'Etat” sy any amin’ny CPI (Cour Pénale Internationale) izany, hoy izy. Tsy ny tetikasa Tana-masoandro no ratsy fa ny toerana nosafidiana ametrahana azy no olana. Tsy misy manda hoe feno Antananarivo Renivohitra fa kosa tsy azo eritreretina kosa ny hanotofana tanimbary mahavokatra be ana hektara nefa ny tanimbary aza mbola mila ampitomboina. Anisan’ny velirano ihany koa ny fampitomboana ny tany hambolena fa nahoana no tsy hajaina koa ? Dia aza mikiry amin'ny fanapahan-kevitra diso fa tsinjovy ihany ny mety ho voka-dratsiny. Izao efa misy maratra sy maty. Sao hanenina, hoy ny teny fampisainana nataony ny fanjakana.
Toky R/Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.