Tany amin’ny fiandohan’ny krizy no efa nanomboka nitotongana ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nisy fotoana nidina tany amin’ny 10 dolara ny iray barila. Ny 05 jona dia isan’ny nanontanian’ny solombavambahoaka tamin’ny Minisitry ny angovo Atoa Christian Ramarolahy io, ka nambarany tamin’ity farany tamin’izany, fa olana iainantsika ny hakelin’ny ny fanatobiana solika sy ny tsy fananana « raffinerie ». Raha be indrindra dia 45 andro no afaka vatsiana. Isaky ny 6 volana anefa ny an’ny firenena manana toby lehibe. Ny mpandraharahan’ny solika aloha izany no nisitraka ny tombony teo. Nialoha an’io, ny 28 mey no nilaza ny Praiminisitra, fa ny hanefana ny 170 miliara ariary, izay tokony ho voaloha ny volana septambra. Tsy azo atao izany amin’izao fotoana izao, na midina be aza ny vidiny iraisam-pirenena noho io trosa mbola ananan’ny mpandraharaha amintsika io, hoy ny Praiminisitra. Amin’ny volana septambra na oktobra vao mety ho voaloa io trosa io ka amin’izay vao antenaina fa mety hidina ny vidin-solika, hoy ny fanazavana tamin’izany. Raha manantena ny rehetra fa mba hisy fidinana io, dia tsy izay no miseho. Ankehitriny, ny fiandohan’ity volana ity no nilazan’ny Tale Jeneralin’ny OMH Atoa Olivier Jean Baptiste fa tsy manana vinavina hampidina na hanitsy ny vidin-tsolika izy ireo noho ny fitotongan’ny sandan’ny ariary ka misy fiantraikany amin’ny fanafarana solika. Mahita fialana bala hatrany ny fanjakana eo anatrehan’ity resa-tsolika ity. Vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaiza-manao avokoa izany, ary ny zavatra ataon’ny fanjakana amin’ity fanafarana zavatra hozarazaina etsy sy eroa ity no isan’ny mampitotongana ny sandam-bola. Ny resaka solika no isan’ny vahaolana ara-tsosialy mety hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana, fa tsy ny kizarazara miendrika propagandy politika. Mila jerena ihany koa ny vidin-jiro. Nahoana ny mpitondra any Ghana no mahavita tsy mampandoa vidin-jiro hatramin’ny faran’ny taona fa ny antsika milaza fa ho sangany aty Afrika tsy misy hafitsoka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.