Tsy mbola misy akony amin’ny vidim-bary eny an-tsena ny fahatongavan’ny “vary mora” 16 500 taonina, raha ny filazan’ireo mpivarotra, mpanjinjara sy mpampongady sendra ny mpanao gazetinay.
Raha 2 000 Ariary ny vidin’ny vary gasy sy ny makalioka iray kilao, eny amin’ny mpanjin-jara; 1 700 Ariary kosa izany eny amin’ny mpampongady. Ny vary vao sy ny “stôky” kosa latsaka 200 ariary noho izany amin’ny ankapobeny. “Sady efa miakatra ny vary aloha, manomboka koa ny vakiambiaty amin’ny faritra mafana sasany ary nodradradraina tamin’ny haino aman-jery fa tonga ny vary mora, fa tsy mbola misy fiatraikany amin’ny vidim-bary ety an-tsena izany”. Hoy i Aimée Razafimanantsoa,
mpivarotra ambongadiny, tsenan’Anosibe. Misy amin’ireo mpanara-baovao no mihevitra fa vary politika ny vary mora. «Vonjy tavanandro io “vary mora” io fa tsy haharitra. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, indrindra ny fihodinana faharoa sy izao fiomanana amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao no ahitana izany. Raha ny tena izy, ny volana janoary sy febroary izay “période de soudure” no mila izany ny vahoaka Malagasy, satria mialohan’io dia efa ritra avokoa ny any an-tsopitry ny tantsaha, nefa izao efa ho faran’ny marsa izao mbola tsy tonga eny an-tsena ihany ny vary mora. Etsy andaniny, efa manomboka mampaka-bokatra tokoa ny tantsaha ka ho mora ho azy aoriana kely ny vidim-bary, tahaka ny isan-taona, kanefa dia ho hankalazain’ny mpitondra izany fa noho ny vary mora nafarana no nampidina ny vary”. Hoy i Tiana, mpian-tsehatra eo amin’ny tsenaben’Andravoahangy sy eo amin’ny fokontany iray izay iasany. Samy mankasitraka ny fahamoran’ny vary avokoa ny Malagasy, noho izy ity foto-tsakafony. Saingy maro koa ireo miandrandra laoka mora. Etsy andaniny tsy vitsy no mijery lavitra ka manahy fa tsy hanerana an’ny Madagasikara sy tsy ho mandrakizay izy ity. Manoloana izao fanatosahana varo-mora izao dia maro
ireo tantsaha no hiraviravy tanana tsy hamokatra vary intsony noho ny fisasarany sy ny fandaniany vola izay be lavitra noho ny vidin’ny vary. Aleo anefa mihinana vary mora toy izay indray kosa vary plastika tahaka ireo nomena ny sahirana tany Atsimon’ny Nosy, araka ny filazan’ny Bekoto, mpandinika fiaraha-monina sady mpanakanto.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.