Sosialy

Dr Fidy Bariniaina “Mampiakatra toekarem-pirenena ny famerana zaza ateraka”


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Potika ny tontolo iainana, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Isan’ny mahatonga izany ny doro-tanety, hoy izy. Miha vitsy ny ala misintona orana. Lasa maina ny andro.

Kohan’ny riaka ny nofon-tany dia tsy mamokatra. Misy ampahan’olona tsy mahazaka ilay masoandrobe vokatr’izay. Eo koa ny setroka be izay ny tratra no voalohany tsy mahazaka azy. Miha maloto ny rivotra iainantsika. Mihena ny “oxygène” na rivotra madio miditra amin’ny vatantsika. Miha marefo ny hery fiarovana. Izany rehetra izany no manazava ny hoe betsaka ny olona sempotsepotra, marary na mangirifiry ny maso, marary ny loha. Tsy misy afaka amaritana anefa hoe inona izay aretina izay? Ny mikasika ilay Cholera any ivelany aloha mbola tsy tena fantatro. Entanina hanana fiainana ara-pahasalamana ny olona mba hatanjaka ny vatana ahafahany miatrika ny zava-drehetra. Tokony ho ampy torimaso, mampiasa vatana mandeha tongotra, misotro rano avy nampangotrahana 1 litatra isan’andro, sakafo misy karazany 3. Ao ny proteinina ahitana hena, trondro, soja sy ny rehetra. Lipida sy gliosida toy ny vary, lafarinina, hanin-kotrana. Sakafo misy vitaminina sy “oligo-element” toy ny voankazo sy legioma. Tokony azon’andro sy rivotra tsara ny trano. Tokony manana andraikitra hitandro tontolo iainana isika rehetra. Entanina isika tsy handoro tanety fa izao no fiantraikany. Ara-pahasalamana sy toekarena io satria rehefa tsy mamokatra ny tany dia kere eto isika. Manaova fanabeazana aizana fa rehefa miha mitombo ny olona dia mety ho fahasahiranana ho an’ny tokantrano sy firenena manontolo mihitsy. Ny 50%n’ny malagasy izao latsaky ny 20 taona daholo, izany hoe, ilay olona tsy mamokatra fa mbola velomina ao an-trano no betsaka noho ilay miasa. Rehefa mbola betsaka noho ny fitombon’ny vokatra ny fitombon’ny olona dia mahantra foana ny firenena. Isan’ny mampiakatra ny toekarem-pirenena ny famerana zaza ateraka. Ny an’ny sinoa izao noferany ho 1 fotsiny. Tokony ampitomboina izany ny isan’ny dokotera satria ny 80%n’ny malagasy dia mbola miankina amin’ny fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny minisiteran’ny fahasalamana, nefa mbola tsy tafapaka any ny fanabeazana aizana. 47%n’ny malagasy no ampiterahan’ny olona voahofana. Mbola ampiterahan’ny renin-jaza izany ny atsasa-manila, hoy hatrany ny tenany.


Raha ny tarehimarika farany avy amin’ny banky iraisampirenena ny taona 2020 dia 32/1000 ny taham-pahaterahana eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT