Sosialy

Depiote Marco Tsaradia “Ny rano no vahaolana maharitra ho an’ny any Atsimo”


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Mampalahelo fa zava-misy miverimberina ny vonjy taitra sy ny krizy amin` ny maha olona any amin` ny tapany atsimon` ny nosy. Anisan` ny miteraka

 

 

 

fahavoazana ny hantany izay tsy ahitam-bahaolana. Voatery misotro rano maloto ny mponina. Mandeha amina kilaometatra maro vao mahita izany rano miandrona izany izay sady hisotroan` ny biby no hantsakan` ny olona. Any amin` ny disitrikan` Ampanihy, raha te hisotro rano dia fangitra no kosokosehina. Zava-doza anefa izany satria ny tanana maloto no mikosoka izany satria tsy misy rano hanasana tanana. Hany ka rano maloto no sotroina, hoy Marco Tsaradia, depiote voafidy tany Ampanihy. Nambarany hatrany fa ny rano no vahaolana tokana amin`ny kere. “Fantatra ny olana ary tokony misy ny vahaolana. Ny tsy fisian`ny rano no mahatonga ny kere. Tsy misy rano fisotro ho an` ny olona, ho an` ny biby fiompy, ary ho an` ny fambolelana. Marihana fa tamin` ny taon-dasa dia tsy nisy ny kere saingy tamin` ity taona ity dia mafy izany. Antony dia nisy orana in-telo tany amin`ireo faritra ireo ka tonga dia nisy voly. Tsy mila zavatra ngeza be ny famahana ny kere”. Raha ny heviny ny vahaolana vonjimaika dia ny fampidirana tetibola ao anatin` ny LFI 2021 ny fametrahana “pluie artificielle” isan-taona. Ny vahaolana maharitra kosa di any fisintonana ireo renirano manodidina toy ny reniran` i Meranja, sns…”Azo hanaovana tetikasa goavana izany. Sintomina ho any amin`ireo tanàna ngeza ny rano dia vokatra ho azy ny tany sy ny voly . Tsy hisy intsony ny fahantrana. Avy eo hasiana lalana hamoahana ny vokatra toy ny RN 10 sy ny RN 13”. Araka izany, voakasiky ny lafiny fanarenana toekarana ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio maharitra, ny fambolena sy ny fiompiana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT