Nanolotra 100 tapitrisa dolara vola tsy haverina hoentina miatrika ny kere any
Atsimo ny governemanta Amerikanina tamin’ny alalan’ny USAID, araka ny fampafantarana omaly 14 desambra nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Masoivohon’i Etazonia Michael P. Pelletier teny Iavoloha. Hitsinjara amina tanjona fohy ezaka sy antenatenan’ezaka ary lavitr’ezaka, dia tetikasa telo no hisitraka ity fanampiana avy amin’ny governemanta amerikanina ity. Ny tetikasa “Firangà” izay hitondra fanampiana vonjy maika mitentina 10 tapitrisa dolara ho an’ny mponina maherin’ny 167.000 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy, hitondrana fitsaboana ihany koa ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny tetikasa “Maharo”, mitentina 45 tapitrisa dolara, dia haharitra dimy taona ary hiantoka ny filàna ara-tsakafo ho ana mponina marefo miisa 279.000 ao Atsimo Andrefa sy Androy. Ny tetikasa "Maharo" dia hanatsara ihany koa ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ireo mponina. Ny tetikasa fahatelo dia ny tetikasa “Fiovana” izay mitentina 45 tapitrisa dia haharitra dimy taona (2019-2024) ary hoentina hampihena ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny mponina maherin’ny 428.000 any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ny CRS sy ny ADRA no hiantoka ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo miaraka amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny fanjakana Malagasy.
“EO FOANA I ETAZONIA”
Tsy nitsahatra ny fanampiana ho an’i Madagasikara, indrindra fa ho an’ny fahasalamana sy ny maha olona. Eo anilan’ny vahoaka Malagasy foana ny Amerikanina amin’ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere mahazo ny Malagasy, ary nijery sy nanao tombana tany Atsimo izahay, hoy ny Masoivoho Michael P. Pelletier. Tamin’ity 2020 ity dia nahatratra 114 tapitrisa dolara Amerikanina ny fanampiana nentin’i Etazonia tamin’ny lafiny ara-pahasalamana, ny lafiny maha olona, ny fiarovana ny reny sy ny zaza,…. 62 tapitrisa dolara tamin’izany ho an’ny fahasalamana, 4 tapitrisa mahery ny reny ary 2 tapitrisa ny zaza voaaro ara-pahasalamana. Nilaza kosa ny Filoham-pirenena fa ao anatin’ny tanjona lavitr’ezaka ny fahafahana manome rano fisotro madio, ahafahana miompy sy mamboly. Hojerena ireo fahafaha-mivelona, toy ny ao Ifotaka misy tany 200Ha hitarihana rano sy hotsinjaraina amina fianankaviana 2000 eo ho eo. Ampianarina miompy sy mamboly, ka hisahana manokana io tetikasa ion y Minisiteran’ny fiompiana sy fambolena, afaka 6 volana dia ho hita hita ny vokatra, hoy izy. Eo ihany koa ny fanabeazan’aizana hifehezana ny fiterahana be loatra izay lasa vesatra, ary maro ny tanora no kely dia miteraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.