Manamarina ny anarana ao anaty lisitra hatramin’ny 31 janoary ihany hatreto no tena heno sy hita ho miverimberina matetika voizin’ny fitondram-panjakana eny amin’ny haino aman-jery fa na ny tokony hatao eo anelanelan’ny 31 janoary hatramin’ny 15 aprily, izay fotoana hikatonan’io lisitra io aza tsy ampy be dia be ny fanazavana mikasika azy.
Tsy henoheno mihitsy, ohatra, ny voalaza ao amin’ny andininy faha-3 ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana manambara fa ny olom-pirenena rehetra feno 18 taona “amin’ny datin’andron’ny fifidianana” dia manan-jo handatsa-bato rehefa tsy olona voararan’ny lalàna. Toy izany koa ny mikasika ireo vaomiera misahana ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy voalaza ao amin’ny andininy faha-10 sy faha-13 manambara fa solontena 4 isaky ny vakim-paritra eny amin’ny fokontany sy 2 avy amina fikambanana tsy miankina (ONG na hafa) nahazo alalana manokana hanao fanabeazana olom-pirenena sy hanara-maso no azo tendrena ho vaomiera mpanara-maso. Misy ny fanamarinana anarana azo atao aorian’ny datin’ny 31 janoary satria ny lisi-pifidianana nankatoavin’ny vaomieram-pifidianana eo anivon’ny distrika dia averiny eny anivon’ny fokontany aorian’io daty io mba hatao peta-drindrina eny amin’ny biraom-panjakana na toerana fivorian’olona. Izay nahita ny anarany dia omen’ny vaomiera tapakila fanamarinana izany. Izay voamarina fa tsy tafiditra ao anaty lisitra kosa dia afaka manao fitarainana am-bava na an-tsoratra ao amin’ny biraom-pokontany ary raketina ao anatin’ny rejistra manokana natokana ho amin’izany ny anarany ary atakalo tapakila ihany koa. Hatreto dia ny avy eo anivon’ny komity mpanara-maso ny fiainam-pirenena na ny KMF CNOE sy ny dingana ho amin’ny fampandrosoam-pirenena na DFP ihany aloha izany no heno fa nanana tetikasa hitety faritra hanao fanabeazana momba ny fifidianana saingy raha ny heno dia sahirana eo amin’ny enti-manana izy ireo. Ny KMF CNOE dia tsy henoheno intsony taorian’ireo atrikasa 2 herinandro vitan’izy ireo tamin’ny faran’ny taona 2017. Ny DFP kosa dia mbola ao anaty fitetezam-paritra hatrany saingy sahirana kosa amin’ny fanapariahana ireo kiboky (Prospectus) fampahafantarana izay tokony ho fantatra momba ny tontolom-pifidianana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.