Miteraka resabe ny karama raisin’ny Solombavambahoka eo anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana izao miampy ireo tombontsoa maro isan-karazany.
Aoka hazava ny resaka, hoy i Behavana Raveloarivonjy na «Zoky Vonjy», depiote voafidy tao Sambava, fa «ny vola iadivana dia tsy karama fa vola entina hanasoavana ny vahoaka». Mampametra-panontaniana, hoy izy ny hoe «Raha sendra olana ny vahoaka, iza no antsoiny ny Minisitra sa ny Solombavambahoaka ?». Na ny bitika indrindra toy ny saram-pianaran’ny mpianatra tsy voaefan’ny ray aman-dreny aza mantsy dia ny izahay olomboafidy no mamaha izany, hoy ihany izy. Ny karama iadiana dia tsy hiditra ho any am-paosinay, fa entina hanasoavana ny vahoaka sahirana (?). «Tsy tombontsoa no tadiavinay fa ny zon’ny depiote», hoy hatrany ny tenany. Mahakasika ny fiara tsy mataho-dalana indray dia nambarany mazava tsara fa tsy natao hitsangantsanganana fa hanasoavana sy hijerena ireo vahoaka any ambanivohitra any amin’ny toerana lavitra ; ilaina amin’ny fifandraisana amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana kosa ny fahana. Ny solika dia iasana sy zaraina miaraka amin’ireo mpanampy miasa any an-toerana. Tsy mitovy mihitsy, hoy izy ny asan’ny Minisitra sy ny Solombavambahoaka noho izany tokony havahana tsara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.