Voaheloka 5 taona an-tranomaizina,
sazy mihatra
Nilatsaka ny didy! Sazy 5 taona an-tranomaizina no azon'ny Solombavambahoakan'i Mahajanga teo aloha, Rahantanirina Lalao na Ninah sy ny zanany iray, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly 19 oktobra 2026. Isan'ny vesatra niampagana azy ny raharaha fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tsy ara-dalàna sy ny fampiasana fitaovana efa nogiazana. Raha tsiahivina, nosamborina ny faramparan'ny volana aogositra teo izy, taorian'ny fifamaliana teo aminy sy ekipa notarihin'ny Kolonely Botosambatra tao amin'ny toerana fitrandrahana volamena tao Maevatanana. Voatazona sy nidoboka am-ponja niaraka taminy ihany koa ny zanany, raha ny vaovao azo omaly maraina. Raharaha fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna no voalaza fa antony, izay marihina fa nisy ny video naneho fifamaliana teo amin’ity depiote ity sy ny miaramila Kolonely Botosambatra izay voalaza fa avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nisy ny fifamaliana, ka nalefan’i Nina sy ny ekipany nivantana na « direct » tamin’ny facebook ny fifandirana tao amin’ny kariera, nanehoany fa manana ny marina izy ireo, nohizingizinina fa karierany ara-dalàna ilay toerana, nambara fa mitaky vola ny andaniny,… Efa tamin’ny volana mey 2026 anefa no natsahatra ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna izay nataon’i Nina, ka hanao fanidiana na « scellage » no anton-dian’ny ankilany, raha ny nambara tamin'izany. Voalaza ihany koa fa efa nisy sazy, saingy tsy noraharahiana izany ka mbola nitohy ihany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Tao anatin’ilay horonantsary sy ny serasera naparitaky ny andaniny kosa, dia nilaza fa mitaky 30% amin’izy ireo ilay miaramila sy ny iraka tarihiny, ary voatonontonona ho ambadik’ity ireo ny depiote sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Afakandro Christian. Mbola tsy nandrenesana setriny kosa ireo voatonontonona. Tsiahivina hatrany, fa ankoatra ny fitabataban’i Nina tany amin’ny tambajotran-tserasera hoe : izaho dia forongony 100%, ary tsy mivadika hatramin'ny farany, tsy mivadika amin’i Andry Rajoelina,… dia nisy ny fihantsiana nataony tamin’ny hoe : sambory aho, dia rehefa any am-ponja indray mitady finday hampiasaina, izay nanivahivany ihany koa ny Fitondrana Fanavaozana. Ratovombolana teo taorian'ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy izany no nivoaka ny didy fanamelohana izay mafimafy ihany. Nisy moa ny fanehoan-kevitra nataon'ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo tamin'izany hoe : « tsy manao fisamborana misy ambadika politika izany mihitsy ny Fitsarana, fa matoa ilay olona voasambotra dia nandika lalàna". Taorian'i Tahina Bonheur izay voaheloka 4 taona sazy mihatra, onitra 20 tapitrisa Ar, lamandy 1 miliara Ar izany dia nilatsaka ihany koa ny didy ho an'i Ninah. Andaniny, ezahin’ny mpanohitra voizina fa tetika entina handrirarina ny mikasika fitsoahana gadra sinoa 11 itony,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.