Nametra-pialana omaly ny filoha Robert Mugabe nitantana an’i Zimbabwe nandritra ny 37 taona.
Naleoko nametra-pialana tamin-kitsim-po mba hahafahana miroso amin’ny tetezamita ao anatin’ny filaminana, hoy i Mugabe. Tamin’ny alalan’ny taratasy izay novakiana teo anivon’ny parlemanta no nanaovany ny fanambarana. Eo am-pandinihana ny fehezan-dalàna isan-tokony nanomboka omaly ny filohan’ny antenimieram-pirenena mba hahafahana mametraka mpitondra vonjimaika manomboka anio alarobia ihany. Efa mandeha ny feo fa mety Atoa Emmerson Mnangagwa, ilay filoha lefitra teo aloha no hitantana ny tetezamita any Zimbabwe. Milaza ny manohana ity firenena ity amin’ny firosoany amin’ny fanovana ny governemanta ny Anglisy izay mpanjanatany taloha. Hafaliana tanteraka no hita tao Harare renivohitra. Nidina an-dalambe nifety sy nihoby, nandihy, nandefa kiririoka sy kipantsona ny Zimbaboeana izay milaza fa efa tena leon’ny didy jadon’i Mugabe nandritra ny 37 taona. Mampametra-panontaniana ihany anefa ny mety ho tohin’ny tantara satria iaraha-mahalala ny fomban’ireo mpanao politika Afrikanina amin’ny ady seza sy ny fitiavana fahefana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.