Nahazo efitrano enina vaovao manara-penitra ny CEG Ambatomanga any amin’ny Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy
Avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny efitrano telo. Avy amin’ireo malala-tanana, dia ny Solidarité Tregor Madagascar sy ny Associaton Miavotra kosa ny famatsiam-bola 50% nananganana ny trano 2 ary ny Pr Ranjeva Marcel mivady nanolotra ny trano iray. Nitentina 13 000 euros tany ny vola efa vonona avy amin’ity fikambanana tantanin’ny teratany malagasy ity, Rtoa Randriamitantsoa Harisoa Sage hatramin’ny taona 2008 ary efa saika votsotra noho ny tsy fahazoan’ity Kaominina ity tamin’ny fanjakana ny anjara tokony hoefain’ny Malagasy. Nihoitra izahay tety amin’ny Kaominina nampian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatomanga, Rakotovao Andriantseheno Michel na Rainisely dia izao nahazo zava-tsoa izao. Ny asa vita no tena fifaliana, hoy izy. Nampientanentana ny ankizy mihitsy ny nananganana ireto efitrano sekoly vaovao hianarany ireto satria niainga tany amin’ny fanadiovana ny toerana, ny nitaona biriky sy fasika ary vato, ny fahandroana sakafo ho an’ny vahiny sy fandrosoana izany teny an-databatra dia nandraisan’izy ireo anjara avokoa. Marihina fa ny mpandraharaha zanaky ny kaominina no nanatanteraka ny fananganana ireo trano vaovao ireo.
Tsy fahalalana fotsiny no tokony hampitaina amin’ny mpianatra fa ny hampisokatra ny sainy ho kinga sy mahay tsy hobadoin’ny fanambakana, hoy ny Pr Raymond Ranjeva. Matoa izahay mandray anjara aty, hoy izy, dia miverina an-doharano nipoirana ary ny tena tadiavin’ny sekoly dia ny mpianatra mahay izay midika ny filana mpampianatra mahay fa taloha ramose dia mahay sy mahafehy ny zava-drehetra. Nasain’ny Ben’ny tanàna Rainisely manokana izahay, hoy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, hitarika ny fitokanana ity zava-bita ity dia tonga ary nahita ny zava-misy amin’itony toerana itony sy midera manokana ny ezaka nataon’Ambatomanga izay mendrika ho modelin’ny Kaominina rehetra mitovy aminy. Dia mbola ankafaliana ny hiverenanay aty amin’ny fitokanana indray ny «panneau solaire» homen’ny fikambanana Tregor avy any Frantsa hanazavana ny toerana. Ankoatra izay dia tonga teto koa izahay noho ny antony politika satria Ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara no nanao zavatra ary tsy nampitsanga-menatra ny antoko ny zava-bitany.
Nampahatsiahy ny vahoaka ny fandrosoana azo tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana izy tao anatin’ity lanonana ity ka nanipy teny ny hiverenan’izany rehefa tonga an-tanindrazana ny filoha. Noho ny fibitsibitsihan’ny Ben’ny tanàna tamiko, hoy izy, fa tsy mbola misy tabilio sy fitaovana ilaina amin'ny fampianarana ao amin'ireto trano vaovao ireto dia nanolotra vola 2 tapitrisa Ariary ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita. Nafonja ny delegasion’ny antoko Tiako Madagasikara nanotrona ny Sekretera jeneraliny tamin’izany toy ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot, ny filoha lefitry ny CST Me Hanitra Razafimanantsoa sy ny CST Razafimanjato Rodin sy Randrianjatovo Henri. Ankoatra izay dia anisan’ny vahiny manokana nanatrika ity fitokanana ity ny minisitra Tabera Randriamanantsoa. Nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ambatomanga ihany koa fa efa nahavita kianja fanaovana fanantajahantena ry zareo izay efa eo an-dalam-panatsarana tanteraka ka inoana fa amin’ny manaraka dia ho any an-toerana fa tsy any Arivonimamo intsony ny fanadinana ara-panatanjahantena ofisialy no hatao. Ary mba tsy hivezivezen’ny mpianatra sy hampazoto azy ireo amin’ny fianarana dia angatahanay, hoy Atoa Andriantseheno Rainisely ny hananganana «Lycée agricole» aty aminay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.