Misy ny fandraisana andraikikitra, hoy ireo fikambanan’ny Zanaky ny Faritany enina eto Madagasikara, izay nosoloin’i Lizanty Emile, izay nitondra ny teny omaly tao amin’ny Villa Elisabeth eny Ivandry.
Mahatsapa ny ezaka ataon’ny fanjakana hamaha olana ny zanaky ny Faritany enina saingy misy kosa no avela hamaha ny olana samirery na ampidirana politika toy ny ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana sy ny tontolo iainana, ary ny minisiteran’ny solika. Araka ny nambaran’ity fikambanan’ny Zanaky ny Faritany enina ity ihany dia sakana amin’ny famahana olana ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Vizaka ny mpitandro ny filaminana, hoy i Victor Hong misambotra ireo olon-dratsy nefa mivoaka rehefa tonga eny amin’ny fitsarana. Tsy ny mpitsara no olana, hoy ihany izy fa ny minisiteran’ny fitsarana, izay anisan’ny minisitra tsy niala tao anatin’ny governemanta hatramin’ny voalohan’izao tetezamita izao.
Rariny ny fangatahan’ny mpampianatra, hoy ihany izy. Tsy nisy tsy nandalo tamin’ny fanabeazana isika nefa dia ireo mpanabe ireo no kely karama indrindra amin’izao fotoana izao. Sahirana vao azo ny “vacation”. Mila apetraka amin’ny laoniny ny fanabeazana fototry ny fampandrosoana. Ary koa fametrahana tsara amin’ny toerany ny maha olom-pirenena ny Malagasy fa tsy tarihina hanongana lava ny fitondrana izao. Araka ny nambaran’i Victor Hong ihany dia misy mpitondra ambony mizarazara ny tany manan-tompo any Toamasina any. Roboka ireo tsy mahalala, misaritaka ny vahoaka madinika.
Nangonin’ i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.