Fantatra, araka ny tatitra nampitain’i Sazalahy Tsianihy filohan’ny Regtim any Atsimo Andrefana fa dahalo 20 lahy ireo nitifitra sy namono ary nandroba ny fananan’ny zanany lahy sy ny vadiny tany Sakaraha tamin’ny 25 novambra 2018.
Nisy kabary dina nataon’ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana, noho izany, tamin’ny 16 febroary 2019 teo ka tapaka tamin’ny didy navoaka tamin’ny 17 febroary 2019 fa hosaziana ary hampiharana ny vonodina manankery ireo dahalo 20 lahy ireo sy ny fokontany 3 ao amin’ny kaominina ambanivohitra Vineta distrikan’i Sakaraha dia Andoharotsy sy Ambahatsy ary Vineta Andamasinina. Misy mpitondra sasantsasany anefa, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, sahy manakana sy manelingelina ny firosoana amin’io vonodina io amin’izao fa mifandray amin’ireo dahalo fahavalon’ny fandriampahalemana ka hampitaina aty amin’ny fitondrana mahefa aty ambony. Marihana, hoy ity filohan’ny Regtim Atsimo Andrefana ity fa mizara 3 mazava no mahatonga ny tsy fandriampahalemana any Sakaraha dia ao ny fisian’ny dahalo sy jiolahy itambaran’ireo tanàna maromaro ka ao amin’ny fokontanin’Andoharotsy kaominina ambanivohitr’i Vineta no misy ny foibeny. Ao koa ny asan-dahalo volen’ny ben’ny tanàna any an-toerana amin’ny alalan’ny fanakaramana dahalo hamono olona izay heveriny fa hifaninana aminy ho ben’ny tanàna indray ary misy koa ny asan-dahalo iraisan’ny sasantsasany ao amin’ny distrikan’i Sakaraha amin’ireo dahalo raindahiny any amin’iny faritra iny. Araka izany, na inona na inona ezaka atao hamongorana ny asan-dahalo any amin’iny faritr’i Sakaraha iny dia ho zava-poana raha tsy iarahan’ny rehetra misalahy hatrany an-tampony ka hatraty ambany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.